Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

LE PROCHAIN MAIRE D’ANTANANARIVO L’ETERNELLE

11 Décembre 2010, 14:38pm

Publié par rovahiga

 

http://www.aimf.asso.fr/upload/uploads/media/mediatheque/Photos/Blasons_villes/Madagascar/antananarivo_jpg_20091113_14573.jpg

 

http://www.tananews.com/wp-content/uploads/2010/07/hajo.jpg

Antananarivo Renivohitra ho PDS I Hajo Andrianainarivelo ?

http://www.basyvava.com/

Ho Voailika tanteraka tsy ho Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra ve Atoa Egard Razafindravahy? Ny saoan-dresaka niely hatry ny omaly tolakandro teto andrenivohitra no nandrenesana fa Hajo Andrianainarivelo, minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana no hotendren’ingahy Andry Rajoelina ho filohan’ny Delegasiona manokana hitantana an’Antananarivo Renivohitra aorian'ny fanovàna ny governemanta iraisam-pirenena. Re koa manodidina izay vaovao izay ihany fa homanina ho kandidà atolotry ny antoko TGV hofidina ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo ity ministra ity, rehefa ho tonga ny fotoana hifidianana izay ho ben’ny tanàna izay.

 

http://tiatanindrazana.com/uploads/r%C3%A9v._satrobory_(2).jpg

 

AMF/3FM Vonona hiatrika fifidianana Ben’ny tanàna

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=2858&idcat=2

«Raha mbola hitokisan’Atoa Rajoelina ny 63% nomen’ny vahoakan’Antananarivo azy ho Ben’ny tanàna dia tokony handinika izy manoloana ny 38% monja amin’ny fahavitrihan’ny vahoaka nifidy tamin’ny referandaoma teto an-drenivohitra», hoy ny antoko AMF/3FM izay tarihin’ny rév. Andrianalijonh Ndriamanampy.

Miombon-kevitra amin’ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara, ihany koa ity antokon’i Satrobory ity ny amin’ny hoe tokony ho Ben’ny tanàna voafidy no mendrika ny Lapan’ny tanàna. Tsy an’i Andry Rajoelina rahateo ny vola nanaovana izany fotodrafitrasa izany, araka ny fanazavana fa volam-bahoaka sy fanampiana avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Nambaran’ny rév. Andrianalijonh Ndriamanampy ihany koa fa tokony ho efa notanterahina ny fifidianana Ben’ny tanàna ho an’i Tolagnaro, Fianarantsoa, Antananarivo, Nosy Be ary Sainte Marie izay samy nametrahana PDS. Efa nisy rahateo lalàna momba izany navoakan’ny ministeran’ny atitany tamin’ny andron’i Monja Roindefo kanefa mandrak’androany dia tsy tanteraka izany.

Nambaran’ny AMF/3FM moa fa dia vonona hiatrika fifidianana izy ireo. Efa manana vinan’asa hotanterahina rahateo izy ireo, anisan’izany ny fanoloana amin’ny alalan’ny fifidianana ireo sefo Fokontany notendrena fahatany, ny fanamboarana tetezana hampifandray an’Antaninarenina sy Ambondrona, ny fanadiovana ireo tatatra rehetra, raha tsy hiteny afa tsy ireo. Manantena ny fiaraha-mientan’ireo mpanao politika ny AMF/3FM, tsy ho tia vola na hiady voninahitra fa hiatrika ny fahoriam-bahoaka izay tsy azo leferina intsony. 

Nangonin’i Soa

http://www.lentreprise.com/imgs/20/286.jpg

RINAH RAKOTOMANGA (Candidature à la mairie de Tana annoncée!)

http://antananarivo-mamiko.com/

Koloina ny fahasalaman’ny mponina

Hatsangana sy hampitaovana ny toerampitsaboana isaky ny firaisana hanarahana ny fahasalaman’ny mponina sy handraisana ireo marary mila vonjy aina maika, hatsangana ny sampa-pahasalamana mitsinjo manokana ny Reny sy ny Zaza, ka omen-danja manokana ny  (suivre le lien)

http://u.jimdo.com/www31/o/s05214760ce221b35/img/id7c5a89c1f458ae6/1287214341/std/image.jpg

 

HERY RAFALIMANANA: LA REVENCHE ?

Le dernier maire du régime Ravalomanana semble bien décidé à reprendre la direction de la mairie d’Antananarivo après un long silence depuis qu’il se faisait détrôné par l’actuel locataire d’Ambohitsorohitra. La dernière fois qu’il répondait aux questions des journalistes concernant la prochaine élection communale, Hery Rafalimanana n’avait en tout cas pas hésité à répondre qu’il pourrait bien partir à la reconquête de l’Hôtel de Ville.

ET BIEN D’AUTRES …

Le nouveau bâtiment de l’Hôtel de Ville d’Antananarivo aiguise l’appétit de ces messieurs dames, et un premier mandat de la IVè république serait un tremplin formidable pour d’autre haute responsabilité à la direction du pays.

 rov@higa 


Commenter cet article