Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

L'AMBASSADEUR DE FRANCE S'EMPORTE !!!

30 Octobre 2011, 11:07am

Publié par Collectif GTT

http://t3.gstatic.com/images?q=tbn:ANd9GcSXLrRbY-6I4eapSTeeia28rJzOHuHeR3JHMY5F38wovBcT8mQHRQ

 

 

29/10/2011 : Jean Marc Châtaignier-quand une crise en cache une …autre

http://collectif-gtt.org/

On a vu des personnes qui ont lancées des chaussures à l’endroit des chefs d’Etat ou encore des présidents qui se sont faits hués lors de manifestations, ou encore se faire injuriés dans la rue, mais un ambassadeur qui tape sur un politicien est chose presque insolite. On croirait à la maternelle. Mais bon.
Vendredi, la délégation de la mouvance Ravalomanana a rencontré le vice-ministre Sud Africain Marius Fransmann, pour  l’habituel compte-rendu. Au cours de l’entrevue, Mamy Rakotoarivelo a voulu souligné l’ingérence un peu trop particulière de la France, entre autre de son ambassadeur à Madagascar Jean Marc Châtaignier. En effet, la mouvance Ravalomanana a précisé que la France soutient un candidat à la primature, que cet ambassadeur veut à tout prix faire nommer. Il s’agit du Gal Rabotoarison. Après la rencontre, l’ambassadeur susnommé a été consulté par le vice-ministre. Juste après, ce diplomate est sorti de ses gongs et prend à partie le chef de la délégation de la mouvance Ravalomanana. Tout en menaçant de son poing Mamy Rakotarivelo, Châtaignier déclare urbi et orbi « d’ailleurs vos candidats ne seront jamais nommés ». La situation aurait pu dégénérer si ce n’est l’intervention du premier conseiller à l’ambassade de France, victime elle aussi de l’agressivité de ce haut fonctionnaire de l’Etat Français.
On ne peut savoir ce qui a été dit lors de l’entretien entre Fransmann et Châtaignier pour que l’ambassadeur soit pris d'une crise de ... folie, et se comporte d’une façon indigne.

Il est temps de  tirer la sonnette d’alarme car nous ne sommes plus à l’époque de la colonisation. Et encore… mais évidemment, tout cela n’arrive qu’à Madagascar.

 

Nambanan’i Jean-Marc Châtaigner totohondry i Mamy Rakotoarivelo

Omaly no nitranga ity tantara ity, tetsy amin’ny Hotely Colbert, rehefa avy nihaona tamin’ny minisitra Marius Fransman i Jean Marc Chataigner dia tonga nivatravatra nanangam-bovona tamin’ny Mamy Rakotoarivelo : « ialahy no mpitantara any amin’i Marius Fransman fa izahay Frantsay no sakana amin’ny fivoahana amin’ny krizy » ary dia sahy nanambana totohondry mihitsy, saika niezaka nandamina ihany ny mpanolon-tsaina voalohan’ity « menasofina » ity saingy nahazo « teny gasy maharary  » taminy hoe : rehefa tsy té hihaino dia mandehana mandeha.Namaly izany anefa ny « zanak’i Dada » ka nilaza fa « tandremo ny mikasitanana ahy ».Nilaza ihany koa i Jean-Marc Châtaigner fa tsy tafita ho praiminisitra mihitsy ny olonareo, hoy izy.

Mazava amin’ity tantara tena marina nitranga omaly ity fa ao ambadika maneloelo ny « zanak’i Dada » hatrany ny Frantsay ary miaro mafy ny mpanongam-panjakana.

 

29/10/2011 : Masoivoho frantsay-tsy nahafehy tena ka nikasin-tànana

http://collectif-gtt.org/content/29102011-masoivoho-frantsay-tsy-nahafehy-tena-ka-nikasin-t-nana

Mafy loatra angaha ny « pression » sa dia efa tsy zaka intsony ny faharesena, sa efa ambany loatra ny fisainana no dia miafara amin’ny fikasihan-tànana ity raharaha ity e ? Fihetsika mamoafady tsy azo vinaniana izany raha eo amin’ny samy mpanao politika, fa vao miha maha zendana raha toa ka masoivoho, heverina ho tokony ho ohatra, olona manana ny haja amam-boninahiny no hahavita tsy hahafehy tena ka nahakasin-tànana olona.

Tantara : « Omaly dia fantatra fa noraisin’A/toa Marius Fransmann teny amin’ny Hotel Colbert  ny ankolafy Ravalomanana. Nandritra ny dinika dia nilaza ny fomba fijeriny mahakasika ny fizotry ny raharaha hanendrena ny praiminisitra ireo mpikambana amin’izany ankolafy izany, ka ny filohan’ny delegasion Mamy Rakotoarivelo, no nitondra teny. NIlazany ahiahiny momba ny fitsabahan’ny frantsay loatra anatin’ny raharaha ny ankolafy ary dia nanambara mazava fa misy ny kandida izay atolotry ny frantsay ary ataony tery vay manta ny hanendrena azy. Tsy iza moa izany fa dia ny Jly Rabotoarison. Avy eo dia norsain’AToa Fransmann ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika, Atoa Chataignier. Rehefa avy nivoaka tao ity masoivoho ity dia hita ho tezitra mafy, ary dia nanatona an’i Mamy Rakotoarivelo. Avy dia nokapohiny mafy be ny sandrin’ny filohan’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana raha ny fitantaran’ny nanatri-maso, ary dia nitohy tamn’ny famokonana totohondry mihitsy ity masoivoho ity. Nosakanan’ny mpanolo-kevitra voalohany ao amin’ny masoivoho frantsay Chataignier saingy nakipiliny ity mpiara-miasa aminy. Nisintaka moramora moa ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, ho fahendrena ary tsy hihitaran’ny raharaha ».
Toe-javatra mampalahelo ary tokony hampahafantarina eran 'izao tontolo izao indrindra fa amin'ny Frantsa izao fihetsika izao. Mihevitra ve sanatria ity masoivoho ity fa mbola anatin'ny fanjanahan-tany isika ka mahazo manao izay danin'ny kibony eto izy?

 

VAOVAO MIKASIKA NY PRAIMINISTRA

 

29/10/2011 : Praiministra : tara loatra ny fifanazavana ? (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/content/29102011-praiministra-tara-loatra-ny-fifanazavana-vid-o

Noho ny fisian’ny ahiahy tsy ihavanana eo amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA sy Zafy taorian’ny fanendrena an’I Omer Beriziky ho Praiministra dia fotoana nahafahan’ny roa tonta nifanazava teo imason’ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna androany. Hoan’ny Ankolafy RAVALOMANANA manokana dia nambaran’ireo nandray fitenenana fa tsy sanatria akory fankahalana na olana manokana amin’ny Pr. Zafy sy  Omer Beriziky no anton’ny fihetsika izay natao fa ny fomba nanendrena azy no hita fa  tsy mifanaraka amin’ny andininy faha-5 ao amin’ny tondro zotra.

Sary androany 

Raha ny fanazavana nentina teo amin’ny Kianjan’ny Finoana mantsy dia antoko manohana ny FATE no nipoiran’ity kandida natolotry ny Ankolafy Zafy ity. Nifanao fanamby ary ny roa tonta fa tsy maintsy ataon’ity Praiministra vaovao ity ny hahatanterahan’ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc ao anatin’ny fotoana fohy sy ny famoahana  ireo gadra politika rehetra mba ahitana marina fa tsy hanompo ny FATE no ahatongavany eo amin’ny toerany.

Tandremo ! 

Araky ny famakafakana nentin’I Mektoub dia teti-dratsy ampiasain’ny Frantsay ny fampisaraham-bazana ny Ankolafy telo. Rehefa resy lahatra hoy izy dia tokony amin’ny saina, fo,  fanahy mba tsy handairan’izany tetika ratsy izany. Nambarany moa fa efa tonga hatrany amin’ny filazana fa nahazo vola be tamin’ny FATE sy ny Frantsay ny Profesora, izany lainga aely hampiadiana ny Ankolafy telo izany. Toky kosa no nomeny ny mpiara-mitolona rehetra fa “raha tsy tanterakin’ny Praiministra ireo tanjona rehetra nimatimatesana teny an-kianja dia ny tenany mihitsy no hitarika ny fidinana an-dalambe.

 

29/10/2011 : Fanendrena an’i Omer Beriziky-hanontaniana ny hevitry ny filoha Ravalomanana (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/content/29102011-fanendrena-i-omer-beriziky-hanontaniana-ny-hevitry-ny-filoha-ravalomanana-vid-o

Tsy voahaja ny andininy faha 5 amin’ny tondrozotra, mikasika ny fanendrena ny praiministra, satria dia mbola olona avy amin’ny antoko manohana ny Fate ihany no napetraka eo. Omer Beriziky mantsy dia sekretera faha 3 amin’ny antoko Leader Fanilo, izay tsy zoviana amin’ny maro intsony ny fiandaniany amin’ny Rajoelina. Nivoaka ny efitrano ny ankolafy Ravalomanana alina raha vao naheno ny anaran’ny Omer Beriziky. Fantatra ankehitriny fa handray fanapahan-kevitra ny ankolafy Ravalomanana izay isan’ny voafitaka amin’ity raharaha ity, fa mialoha izay dia hangataka fanazavana amin’ny Profesora ZAfy Albert, sy amin’ny Troïka ary hanontany ny hevitry ny filoha Ravalomanana. « Tsy manana olana amin’ny ZAfy Albert sy Omer Beriziky ny ankolafy Ravalomanana, fa ilay tsy fanarahana ilay andininy faha 5 amin’ny tondrozotra no olana » hoy ny filohan’ny delegasaion’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo.

Commenter cet article