Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Kabarin-dRamatoa Lalao Ravalomanana- Fetin'ny Reny 2011

29 Mai 2011, 16:19pm

Publié par GTT International

http://3.bp.blogspot.com/_n_2MMK4gZKw/TMGWIKOzjgI/AAAAAAAAAHw/k8v44K_edRw/S229/Logo_(Baner)_GTTgeDEFINITIF.png

 

Kabarin-dRamatoa Lalao Ravalomanana- FETIN’NY RENY ALAHADY 29 MEY 2011

http://gtt-international.blogspot.com/2011/05/kabarin-dramatoa-lalao-ravalomanana.html?utm_source=feedburner&utm_medium=email&utm_campaign=Feed%3A+GttInternational+%28GTT+International%29

 

Amin’izao andron’ny 29 mey 2011 fankalazana ny Fetin’ny Reny eto amintsika izao dia raisiko ho fifaliana mitafotafo sady voninahitra lehibe ny miarahaba ny Reny malagasy rehetra tsy an-kanavaka nahatratra ity andro anio ity. Faly satria mbola samy velon’aina ary afaka mifampiarahaba na dia miaina ao anaty fahasahiranana lalina avokoa aza isika rehetra, na ny isam-batan’olona, na ny isa-tokantrano sy ny isam-pianakaviana, noho ny krizy mianjady amin’ny Firenena malagasy nandritra izay roa taona mahery izay.

Am-panetretena no anolorako izany arahaba izany satria miharihary loatra ny herim-po asehon’ny reny sy ny vehivavy malagasy tsy an-kanavaka, na antitra na tanora, na an-tanan-dehibe na any ambanivohitra, manerana ny faritra 22, miezaka hatrany mampandeha ny fiainana andavanandro sy ny fiainan-pirenena na dia iharan’ny mafy indrindra aza amin’izao krizy izao.

Ao anatin’ny tsy fisiana sy korontana ary tebiteby lava ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Maro ny tsy an’asa, zara raha misy vola amidy sakafo sy iantohana ny ankizy ho any an-tsekoly, ao ny mandry fotsy na tsy mihinana raha tsy indray mandeha isan’andro ary mihamaro hatrany ny isan’ny zaza maty vokatry ny tsy fahampian-tsakafo sy ny hanoanana. Manoloana izany dia vao mainka mirotsaka an-tsehatra ny reny eo amin’ny asa aman-draharaha, na an-tsaha na an-tanàna, iadiana amin’izany fahasahiranana izany.

Mitombo hatrany koa ny isan’ ny tokantrano rava vokatry ny tsy fisian’ny vola miditra, eo ihany koa ny fisarahambazana, faharavàn’ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny mpivady, ny mpiray-tampo, ny zanaka sy ny ray aman-deny vokatry tsy fitovizan-kevitra ara-politika eo amin’ny Firenena. Mihamaro isa araka izany koa ireo reny sy tovovavy izay mizaka irery ny famelomana sy ny fanabeazana ny ankizy, miezaka mikolokolo sy manabe ny ankohonana sy ireo taranaka mba ho olom-banona, ary mitandro hatrany ny fifankatiavana sy ny fihavanana izay anisan’ny fototra lehibe iorenan’ny soatoavina malagasy.

Ny herin’ny fitiavan’ny Reny izay mateza, mahery sady manam-paharetana, no heverina hatramin’izao fa fara-tampony indrindra eo amin’ny karazam-pitiavana misy eo amin’ny olombelona. Ary ny tena maha zava-dehibe azy dia io no fototry ny fifankatiavan’ny mpiray tampo sy ny ankohonana, ny firaisankina ary ny fifanohanana, na am-pifaliana na an-karatsiana, eo amin’ny mpiray tanàna sy ny mpiara-monina ary ny firenena.

Sarotra sady mila herim-po sy faharetana ny fahitàna vaha-olana eo amin’ny fiainan’ny reny tsirairay avy ankehitriny noho ny toe-javatra manahirana eo amin’ny fiainam-pirenena.

Mihasarotra sy mihamitombo ny andraikiny; mpamelona ny tokantrano sy ny ankohonana, mpanabe sy mpanolokolo, mpampiray sy mpampihavana, indrindra ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao; mpitady vahaolana eo no eo manoloana ny fiainana andavanandro, ary mpitady vahaolana maharitra mba isian’ny fivoaram-piainana sy fivoaran’ny toe-tsaina eo amin’ny rehetra ka ahafahan’ny firenena miroso ho amin’ny filaminana sy ny fampandrosoana maharitra amin’izay.

Izany sy izany ankehitriny no andraikitra efa sahanin’ny reny malagasy sady takiana aminy rahateo. Ary miorina amin’izany rehetra izany ny Hasina na ny fahamendrehana ekena fa ananany.

Ka hoy aho mamarana ity fiarahabàna sy fanandratana ary famporisihana antsika reny malagasy ity, raha mindrana ny tononkalon’ny andrarezina iray izay hitako fa mitaratra ny herim-po sy ny toetra ananan’ny Reny malagasy rehetra:

Ramatoa Lalao Ravalomanana

TSY KIVY

Tsy kivy aho satria
Ny sotasota maro
Manakana ny dia
Dia mainka toy ny laro
Sy zezika hampaniry
Ny fikasako hikiry

Tsy kivy aho satria
Ny hery tato anatiko
Tsy osa na malia
Fa mandra-pahafatiko:
Mivonona handresy
Ny loza mifanesy.

(tononkalon’i RADO - Dinitra)


Koa sady mamerina ny fiarahabàna eram-po eran-tsaina ho antsika reny aho, no misaotra sy mankahery ary mitso-drano ahaleo ahalasana eo anatrehan’ny adidy sy andraikitra mankadiry sady sarotra iantsorohantsika .



Matokia fa momba antsika mandrakariva Andriamanitra.

Commenter cet article