IRAY TSIKOMBAKOMBA ...

Publié le par Collectif GTT.

IRAY TSIKOMBAKOMBA TAMIN’NY FANONGANAM-PANJAKANA NY HCC

http://collectif-gtt.org/

http://www.lexpressmada.com/include/resize_image.php?sz=450&a=1&sc=../images/article/1291673364_image.jpeg

Tamin’ny 17 marsa 2009 dia nisy niantso tao amin’ny HCC fa hisy haka an-keriny ao amin’ny lapan’Ambohidahy ny Président Jean Michel RAJAONARIVONY sy ny membre ny HCC. Tokony ho teo amin’ny 04 ora sy sasany izany antso izany. Tamin’io fotoana io ihany koa no raikitra ny fifanjevona teny amin’ny Episcopat Antanimena izay nahitana ny fisamborana an’i Vice amiral Hyppolite RAHARISON, Général de division Ranto RABARISOA, Général de division Rivo RAZAFINDRALAMBO, ny Président ny FJKM Pasteur Lala RASENDRAHASINA narahana herisetra sy fandrahonana basy eran’ny tokotany sy ny trano.

Nisy miaramila manamboninahitra niantso an-telefaonina tao amin’ny lapa ka nanontany hoe :”aiza ny president nareo?” Efa lasa nody moa izy tamin’izay ka nilaza ilay miaramila hoe asaivo miverina izy fa misy olona maromaro mitondra 4X4 miandry azy eny an-dalàna haka azy an-keriny. Sendra mifanojo moa ny zavatra fa tamin’izay koa no nantsoin’i Norbert RATSIRAHONANA i Président Jean Michel RAJAONARIVONY fa nampanantsoin’i Andry RAJOELINA ho any an-tranony io ariva io ihany. Ka teo dia nitodi-doha niverina izy ary nihazo an’ny Ambatobe.

Alohan’ny tsy ahatongavana tany Ambatobe dia efa niandry azy i RATSIRAHONANA teo amin’ny sampanandalàna iray. Nifindra tao amin’ny fiaran’i président ny HCC izy ary izay indray vao niroso ny dia ho any amin’ny tranon’i Andry RAJOELINA.

Maromaro ny olona tao ary anisan’izany Andry RAJOELINA, Colonel Noel RAKOTONANDRASANA, Christine RAZANAMAHASOA, André RESAMPA, Colonel André NDRIANARIJAONA, Alain RAMAROSON, RAONENANTSOAMAMPIANINA.

Ka izao no resaka izay natao tamin’io alina io: mangataka ny président ny HCC ry zareo mba hanampy azy ireo amin’ny lafiny rehetra setrin’izay dia nanome toky izy ireo fa tsy hanala an’ny président amin’ny toerany misy azy ary ho arovana hatramin’ny farany rehefa mandeha tsara ny fifanampiana. Mbola nanome toky ihany koa izy ireo fa tsy ho adino ny HCC fa tsy maintsy omena izay anjara valin- asa amin’izay niarahana nanatanteraka. Nony vita izay resaka izay dia nifanaiky ry zareo ka natao ny fanoratana ilay taratasy Ordonnance izay hamindrana ny fahefana avy amin’ireo miaramila izay voasambotra teny amin’ny Episcopat ho an’i Andry RAJOELINA, ka i RATSIRAHONANA no nandrafitra ilay taratasy famindrampahefana satria ho entina eny amin’ny Toby CAPSAT, toerana nitondrana ireo Généraux sy Pasteur Lala RASENDRAHASINA tamin’io alina io ihany, ho vakiana ho ren-tàny sy ren-danitra.

Avy eo dia niantefa tany amin’ny HCC ny resaka:” tsy ho jerem-potsiny ianareo ao amin’ny HCC indrindra fa ianao Atoa Président, hoy indray izy ireo, ka mangataka fiaraha miasa sy fiaramientana izahay mba hampahomby izao hetsika hanovana ny tantàra izao. Koa dia ampitao any amin’ny namana rehetra any izao hafatra izao ary matoky anao izahay Président fa tsy hivadika amin’izao resan-tsika izao”; somary hafahafa ihany aloha ny endriky ny president ny HCC raha hivoaka izy, ka nilaza izy tamin’ireo olona teo ireo fa:” tsy afaka hifanerasera aminareo ahy, hoy izy, fa i HC RAKOTONDRABAO miaraka amin’ireto olona atokisako ireto no hifandray aminareo matetika amin’izany fifanarahana izany”.

Nony tonga tokoa ny fotoana manaraka dia nentin’ny HC RAKOTONDRABAO ny greffier en chef RALISON, Capitaine RAZAFINDRAKOTO, nankeny amin’ny lapa Mahazoarivo nihaona tamin’ny MONJA Roindefo, haka ilay vola nifanarahana. Ny resaka izay nifanaovan’izy roa lahy aloha dia tsy nisy nanatrika ka tsy fantatra izay votoantondresaka. Fa niverina maina fotsiny tamin’io andro io fa mbola tsy azo ilay vola ary dia nanatona an’i André RESAMPA indray avy eo. Teo dia nisy fivezivezena matetika teny Ambotsirohitra sy Mahazoarivo mandritra ny andro maromaro. Taty aoriana izay vao azo ilay vola ka tao amin’ny biraon’i André RESAMPA no nakana an’izany. Ny HC RAKOTONDRABAO no naka an’io vola io izay mitentina 1 milliard 400 millions FMG na 280 millions Ariary ka natao tao anatin’ny fiara an’io Haut Conseiller io ihany, 4X4 PRADO 3113 TAD, ilay vola.

Rehefa azo io vola io dia nisy ny fizarana azy. Misy amin’ireo membre ny HCC no tsy mahalala akory ny fisian’io vola io, ary misy ny membre voatonona tsy ahazo mihitsy, ireo izay nahazo dia mety koa tsy mahafantatra ny totaliny ilay vola , fa tsy dia rototra loatra amin’ny fametraha an’i Andry RAJOELINA (afa tsy Haut Conseiller iray) satria araka ny tenin’i HC RAKOTONDRABAO dia izy sy president irery ihany no tompon-kevitra amin’ny zavatra rehetra.

Izany no zava- marina niseho tamin’ireny 17 marsa 2009 ireny. Misy vavolombelona ireo rehetra ireo. ARY AMBARA FA TENA TOMPON-ANDRAIKITRA TANTERAKA TAMIN’INY FANONGANAM-PANJAKANA INY NY HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE.

Publié dans COMMUNIQUE

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
J

Pourquoi ne pas publier ces informations en français et les envoyer à la Presse ?????

Merci,

JR

Répondre
R

Bonjour,

Excusez mon retard à vous répondre JR. L'article cité est un communiqué qu'on nous a fait parvenir. De ce fait, il appartient à qui de droit de le faire publier dans la presse. Quant à le
traduire en français, nous allons nous pencher sur le cas.

Merci de votre visite et commentaire.