HO FAMAHANA NY OLANA ARA-POLITIKA ANKEHITRINY ETO MADAGASIKARA

Publié le par Tianay ny Taninay

Araky ny fanamby napetrakay sy niantsoana ireo rehetra manana hevitra aroso na lahateny ho entina amin’ny daholobe, dia ity arosonay ho an’ny rehetra ity « HAFATRA sy HO FAMAHANA NY OLANA ARA-POLITIKA... » nampitaina aty aminay mba havoaka eto amin’ny « rovahiga ». Anjaran’ny tsirairay ny mandinika sy milaza izay heviny mikasika itony lahateny aroso eto itony. Koa samia mahavaky finaritra.

rov@higa

 

HO FAMAHANA NY OLANA ARA-POLITIKA ANKEHITRINY ETO MADAGASIKARA

 

1-       FANAIRANA NY SAINTSIKA MALAGASY REHETRA

 

JEREO NY MANODIDINA ANAO!

-          Simba ny fifandraisan’ny mpianakavy sy ny mpiara-monina

-          Tsy mandry fahalemana ny tany

-          Miha-maloto ny tontolo iainana

-          Mitady ho ripaka ny harena voajanahary

-          Betsaka ny marary tampoka sy maty

-          Toa miandry fotoana fotsiny hiadiana sy hanaovana ratsy ny ankamaroan’ny olona

-          Misavorovoro be ny raharaha ara-politika ka tsy hita ny hoavy mamiratra

 

HO ANAO MANOKANA

-          Mety ve ny fiainanao sy ny fiarianao amin’izao fotoana izao?

-          Vitanao ve ny adidinao amin’ny ankohonanao sy amin’ny fiaraha-monina?

-          Heverinao ho tratra ve ny tanjona napetrakao hahatafavoaka anareo mianakavy amin’ny fiainana?

-          Hatramin’oviana ianao no afaka hiafy sy hampiafy ny ankohonanao?

-          Hatraiza ny fahasahiranana mianjady aminareo no ho azo zakaina?

-          Raha tena tokony hiafy aloha satria sahirana ny firenena, ekenao ve ny fisiana antokon’olom-bitsy vahiny sy Malagasy mahazo tombontsoa mihoampampana?

-          Ahoana no havalinao ny zanakao, ny zafikelinao, ny taranaka Malagasy ho avy rehefa hanotany anao izy ireo hoe: “INONA NO MBA NATAONAO?”

 

MELOKA IANAO SATRIA

-          Nanao ny ratsy, na

-          Namporisika ny mpanao ratsy, na

-          Namela ny mpanao ratsy hanjaka, na

-          Nanakana ny ratsy fa tsy nahomby

 

2-       INONA NO ILAIN’NY FIRENENA SY NY VAHOAKA MALAGASY MAIKA?

Ø  Fandriam-pahalemana

Ø  Filaminana

Ø  Fandrosoana ahazoan’ny daholobe ny tombontsoa tandrify ny tsirairay

 

3-       AHOANA NO HAHATRATRANA IREO TANJONA IREO?

Ø  Mifamela sy mifampihavana ny mpitarika vondrona politika manan-danja indrindra amin’izao fotoana izao

Ø  Ajoro ny rafitra fitantanana ny raharaham-panjakana eken’ny rehetra

Ø  Miditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana hiaro ny mponina sy ny fananany ary ny harem-pirenena, miaraka amin’ny fokonolona

 

 

 

4-       INONA NO TSY  NAMPAHOMBY NY EZAKA NATAO HATR’IZAY?

 

TOE-TSAINA HIADY NO ENTINA MIATRIKA FIHAONANA

-          Anaty ny mpivory ny fahavalo sy ny namana; samy mitetika ny hamotika ny fahavalony avy

-          Izay mihevitra azy ho matanjaka anaty fivoriana na eo anivo ny firenena dia te hampanaiky fotsiny ny heviny

-          Samy mieritreritra fa azy irery ihany ny marina fa tsy izy avokoa ny ankaotr’izay

-          Samy te-hiseho ho matanjaka ka tsy hanaiky ho diso na handefitra fa taratry ny fahalemena hono izany

-          Mandroso hevitra lazaina fa “vaha-olana” nefa fantatra fa tsy ho eken’ny ankilany, mba ilazana fa izy ireo no mampikatso ny fitadiavana vahaolana

 

“FIZARANA SEZA” ANATY NY FITONDRANA TETEZAMITA NO NOMEN-DANJA

-          Teo no nampikatso ny fifanarahana MAPUTO sy ADDIS ABABA, izay tsy fantatra sady tsy nampahafantarina ny vahoaka Malagasy akory

-          Velona ahiahy ny vahoaka mahafantatra satria tsy misy fidiany izany ny olona hitantana fa tendrena olom-bitsy anaty fivoriana, araky ny fikasana teo aloha sy ny hita ankehitriny; avy eo mifandamina hihazona ny fahefana ireo ka hitady irika hatrana hanalavana ny tetezamita (jereo Côte d’Ivoire)

-          Rafitra mavesatra handaniana vola be hatrany no hapetraka nefa iaraha-mahafantatra fa sahirana ara-bola ny fanjakana

 

TSY NATOMBOKA NANDRITRY NY FIHAONANA NY FAMPIHAVANANA

-          Azo natao tsara ny nampifamela sy nampihavana ny mpifanandrina nandritry ny fihaonana, ezaka izay hitarina sy tohizina amin’ny fampihavanam-pirenena

-          Raha tsy izany dia hiandry fotoana hifamaly faty hatrany ireo

-          Mbola henjana sy lavitr’ezaka ny haneken’ny niaran’ny herisetra (victimes) hamela

 

TSY FENO SY MAZAVA TSARA NY MOMBA NY FAMONTSORAN-KELOKA

-          Ny famotsoran-keloka dia mikasika ny olona voatsara, voaheloka, voasazy

-          Tokony hasiana teny ny tsy hanaovana fanenjehana ny olona voakasiky ny raharaha nahatonga olona maty na naratra, trano may na rava na simba, entana voaroba na simba,… noho ny raharaha politika nonomboka ny volana janoary 2009

-          Tadiavina ny fomba hanomezana onitra an’ireo rehetra niaran’ny herisetra

 

TSY TAFIDITRA HANDRAY ANDRAIKITRA ANATY FAMAHANA NY OLANA NY TAFIKA

-          Nanana andraikitra mivantana hatrany tamin’ny olana politika eto Madagasikara ny tafika indrindra amin’ny olana ankehitriny

-          An’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka ary hiverina amin’ny vahoaka ny miaramila. Mila mandray andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena ny tafika, mba hiverenan’ny fahatokisan’ny vahoaka tanteraka aminy indray

-          Tsara hazava ny hoavin’ireo mpitandro filaminana nijoro sy nanao hetsika hitany fa tokony natao ho an’ny tanindrazana: fanapahan-kevitra samirery na baiko notanterahina 

 

 

 

TSY VITA NY FAMPIHARANA NY TARIGETRA FOTOTRA (PRINCIPES) EFATRA

-          Tsy miendany atsy na aroa (neutralité)

-          Samy mandray anjara daholo (inclusivité)

-          Fiaraha-manaiky sy manapaka (consensualité)

-          Fatokisana (crédibilité)

 

TSY VOATERY HAMPANKATOAVIN’NY VAHOAKA NY RAFITRA TETEZAMITA

-          Ny fiteny hoe “aty aminay ny vahoaka” foana no hilazana ny hery

-          Tsy misy olona afaka mihambo ankehitriny ho tena tohanan’ny vahoaka Malagasy, na afaka miteny amin’ny anarany … mandra-pahavitan’ny fifidianana

-          Izay olom-boafidy amperin’asa ihany no afaka miteny amin’ny anaran’ny vahoaka nifidy azy, ny ankaotr’izay dia misandoka fa nahazo fahefana avy amin’izay nanendry azy

-          Ny mpanao politika izany dia miteny amin’ny anarany manokana na amin’ny anaran’ny vondron’olona miray dia aminy

-          Tsy ilaina ny hampakatoavana ny vahoaka Malagasy ny rafitra tetezamita, fa fifaneken’ny mpitarika politika dia ampy

-          Tsy mila fankatoavana avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny tetezamita fa fanohanana no ilaina (izay inoana fa ho tonga ho azy raha teny ierana ny fametrahana rafitra)

 

5-       VAHA-OLANA: AMPIHAONINA MBA HIFANDAMINA NY MPIFANANDRINA

 

IZA IREO MPIFANANDRINA TOKONY HIFANDAMINA?

-          Filoham-pirenena voafidy mbola velona ankehitriny

-          Filoha ny fitondram-panjakana ankehitriny

-          Mpitarika vondrona politika efatra hafa izay hita fa manan-danja eo amin’ny vahoaka ankehitriny

-          Mpitandro filaminana: miaramila, zandary, polisy

 

IZA NO AFAKA HAMPIHAONA AZY IREO?

-          Ny vahoaka Malagasy maro an’isa, maneho hevitra mitaky izany

-          Ny miaramila, zandary, polisy mandray andraikitra avy amin’ny fitakian’ny vahoaka

Ohatra: izay maharitra indrindra amin’ny “grade” farany ambony nefa tsy tafiditra anaty ny “crise” ka tsy miendany; iray avy amin’ny tafika an-tanety, iray avy amin’ny tafika anabakabaka sy an-dranomasina, ny iray zandary, ny iray polisy

-          Ireo olona ireo dia hiantoka ny filaminana sy ny tsy fisian’ny korontana na herisetra amin’ny mpivory, ary manaiky ny fehin-kevitra ho tapahin’ny mpivory

-          Manao tolo-kevitra ny jeneraly misotro ronono, ny bekotro maro holatra, ny “ex-militaires”, ny AJOC, ny COSOFAM, sns…

-          Manapa-kevitra ny “chefs de corps” hotronin’ny ombimanga (ohatra)

 

IZA NO HANOHANA AMIN’NY FIKARAKARANA ?

Ny PNUD, mpandrindra ny Firenena Mikambana eto Madagasikara no mikarakara ny “secrétariat – gestion financière -logistique”

 

 

 

                IZA NO MPANELANELANA SY MPANDRINDRA?

-          Solotena iray avy avy amin’ny fiangonana anaty ny FFKM izay tendren’ny fiangonana, fa tsy ny mpitarika ny fiangonana, ary tsy voatery ho mpitondra fivavahana

-          Solotena iray avy amin’ny mpino silamo

-          Raiamandreny lehibe iray avy amin’ny fiaraha-monina

-          Vehivavy teknisiana Malagasy iray manam-pahaizana manokana amin’ny fitarihana fivoriana sy fifanakalozan-kevitra

 

IZA NO MPAMATSY VOLA?

-          Manao fiantsoana amin’ny haino aman-jery rehetra izay malala-tànana tsy hampahafantarina (contribution anonyme), eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao

 

VOKATRA ANDRASANA AMIN’NY FIVORIANA

-          Fifanekena hiarahan’ny mpivory manao sonia ary ampiharina avy hatrany

-          Voarakitra ao ny fametrahana rafitra tokana tetezamita izay maivana arak’izay azo hatao, ny fepetra tokony ho fenon’ireo olona handrafitra izany toy ny hoe “izay olona rehetra manana andraikitra anaty ny fitondrana tetezamita dia tsy mirotsaka ho fidiana na Ben’ny tanàna aza”, sy ny fametrahana filazam-pananana eny amin’ny BIANCO amin’ny andro hanendrena azy ireo, …

-          Ho lazaina ny fomba hifantenana ireo olona ireo (ohatra fandinihina Curriculum Vitae), ny fomba hametrahana azy ireo araky ny lalàna, ny andraikitra / laharam-pahamehana /fetra ny fahefana

-          Hamafisina manokana fa ny mpivory manao sonia dia samy tsy mandray anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita, ary manaiky izay fandaminana hapetraky ny rafitra hajoro

-          Soritana ao ny mikasika ny famotsoran-keloka sy ny fifidianana

-          Manao antso avo amin’ny Malagasy rehetra maneran-tany handray anjara amin’ny ezaka fanarenana an’i Madagasikara, sady manoritra ny fomba hanatanterahana ny ezaka

 

SOSO-KEVITRA FANATANTERAHANA NY FIHAONANA

-          Toerana: ankininina amin’ny mpikarakara (ohatra lapam-panjakana Iavoloha)

-          Faharetan’ny fihaonana: telo andro raha ela indrindra, tsy misy mahazo mivoaka fa malalaka kosa ny fifandraisana telefaonina sy internet

-          Haino aman-jery: tsy misy vaovao ofisialy havoaka raha tsy vita tanteraka ny fihaonana

-          Isa ny mpivory: mpitarika + 2 anaty fivoriana, miampy mpanampy/mpikarakara roa, totaly 5 (dimy) 

-          Asiana manam-pahaizana manokana amin’ny lalàna, politika, tantara, serasera, fifandraisana iraisam-pirenena, …. miandry amina efitrano tsy lavitra mba hantsoina raha misy fanazavana ilain’ny mpivory (personnes ressources)

-          Mipetraka ho azy mba ho arahina ny tarigetra fototra (principes) hoe

o    Mandray anjara amin’ny fihaonana avokoa ny hery politika valo manan-danja indrindra (inclusivité)

o    Tsy miendany (neutralité) ny rafitra tetezamia satria samy tsy misy ao (exclusivité) ny hery politika

o    Fiaraha-manaiky amin’ny fepetra (consensualité sur les critères/conditions…)

o    Tatitra isan’andro ny fampiarana mba hisian’ny fahatokisana (crédibilité par les rapports permanents de suivi-évaluation)

 

 

6-       IZA MOA IZAHAY?

Ø  Teratany Malagasy tsotra miisa roanjato latsaka kely izahay ankehitriny (sivifolo isan-jato aminay monina eto Madagasikara), anaty vondrona antsoina amin’ny anarana hoe “Tianay Ny Taninay”, tsy mbola mijoro ara-panjakana

Ø  Hitanay fa rendrika ny firenena ankehitriny noho ny adilahy politika ka mila fanarenana haingana

Ø  Marihinay fa tsy ny Malagasy na ny vahiny no fahavalo iombonana fa ny fahantrana, ny hanohanana, ny asan-jiolahy, ny habadoana, ny aretina, ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny fahaverezan’ ny harena voajanahary, ny fanadinoana ny soatoavina, ny fanjakan’ny ratsy,…

Ø  Irinay mba tsy olona na antokon’olona no handresy amin’ny ady hatrehin’ny firenena izao fa ny fahendrena, ny fifankatiavana, ny marina, ny rariny, ny hitsiny, ny fahafahana, ny fandeferana,…

Ø  Heverinay fa tsy misy hetsika azo andrasana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, fa fanohanana no hany azony hatao hampiverina miandalana ny firenentsika eo anivo ny vondrona samihafa

Ø  Resy lahatra izahay fa ny Vahoaka Malagasy ihany no tokony mandray andraikitra mivantana

Ø  Noho izany miezaka izahay ny hanohana ny fametrahana olona tena mendrika sy atokisana handray an-tànana ny raharaham-panjakana, ny hanentana ny olo-marina sy olon-kendry hijoro sy handray andraikitra, ny hampahafantatra ny vahoaka ny zava-misy marina sy hanabe azy ho olom-pirenena vanona mandray andraikitra

Ø  Tsy mikatsaka ny ho mpitondra izahay

 

Raha te hiaraka aminay ianao dia andefaso teny fampaherezana sy soso-kevitra amin’ny adiresy mailaka tianay.ny.taninay@gmail.com

 

 

“Tianay ny Taninay”, 30 novambra 2010 

Publié dans COMMUNIQUE

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article