Ho avy aho.

Publié le par Basy Vava

http://www.basyvava.com/s/cc_images/cache_2808186463.jpg?t=1276440541

"HO AVY AHO HANARINA AN'I MADAGASIKARA "

Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby teo amin’ny Magro Behoririka ny Filoha Ravalomanana ny Sabotsy 12 Jona 2010 teo. « Minisitra tsy ara-dalana  io, ary fitondrana tsy eken’izao tontolo izao”, izy ireo no tokony ho samborina” hoy ny filoha raha namaly ilay  ilay resaka nataon’i minisitra Fat Christine Razanamahasoa izy.Mahakasika ilay raharaha  07 febroary dia nambarany  fa matahotra ny hanangana ilay fanadihadiana iraisam-pirenena ny Fat satria ho fantatra eo daholo ny marina rehetra, na ny raharaha  07 febroary na izay tranga teo aloha na ny izay  taty aoriana.

Tsy misy intsony ny fitsarana azo ianteherana, tsy manaja ny fenitra sy fepetra iraisam-pirenena amin’ny sehatra rehetra ny fitsarana ao Madagasikara, tondro-molotra fotsiny dia efa mampigadra ary  ny minisitra no manome baiko ny fampigadrana hoy ihany ny Filoha Ravalomanana.

Manoloana ny feo mandeha fa raha tafaverina eto an-tanindrazana izy dia hisy ny fisamborana sy ny valifaty, mazava ny teniny fa tsy hanao izany izy ary tsy hieritreritra hanao izany  mihitsy. « Ny hampanjary ny demokrasia no imasoako ary ny hamerina ireo orinasa nikatona, hanamafy hatrany ny fifandraisana amin’ny mpamatsy vola sy hijery ny fiainam-bahoaka ».

Teo am-pamranana moa dia nandrisika hatrany ny vahoaka ho tonga maro eo amin’ny Magro ary nampanantena hatrany fa “hiverina” : “mijoroa hatramin’ny farany, tsy maintsy mandresy isika, manana faharetana”.

Source: http://www.basyvava.com  

Publié dans FLASH INFO

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article