Quantcast

Présentation

Hain-teny/Ohabolana

                             Booste le trafic de ton blog

 

  

-   Tari-drano an-kilahila, ny very no be noho ny tonga

 

 

 

                     http://www.linternaute.com/0_newsletter/nature/185/images/aigle.jpg

 

 

Tsy satrim-parihy hitera-potaka, fa ao ihany Ra-nanakobana !

 

 

 

 

 

 

 

Wikio

Recherche

TWITTER

Partager

Syndication

  • Flux RSS des articles

Créer un Blog


web counters 

 

Catégories

Calendrier

Juin 2013
L M M J V S D
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
             
<< < > >>
Dimanche 14 novembre 7 14 /11 /Nov 08:28

 

HO ANTSIKA ANY AMIN’NY FARITANY.

 

Andro vitsy sisa dia ho tonga ny daty 17 novambra hiantsoana antsika handeha hifidy, mikasika ny Lalàm-panorenana. Tena miankina aman’aina io fotoana io. Inona no antony?

 

1/-Raha mifidy ny ENY isika, dia hankatoha ny fisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 17 febroary 2009. Izany hoe, manaiky isika fa rehefa mpitondra manao ny tsy mety, dia harodana amin’ny hery na dia tsy ara-dalàna aza izany. Izay ilay lazaina hoe: “didin’ny besandry”. Tadidio anefa fa ain’olona maro no maty tamin’izany, fanànana tsy hay lazaina no potika sy may tao anatin’ny minitra vitsy, ary aman’hetsiny na aman’aliny akory aza no very asa ka nanjary tsy mahavelona ny ankohonany intsony amin’izao fotoana izao. Ekenareo ve raha mitraotra indray ireo olona rehetra ireo sy ny havany ary ny namany, ka hanongana ireo ao amin’ny tetezamita satria efa hifanaovana ihany ny mifamono? Ekenareo ve fa tsy ho tsaraina ireo nahavanon-doza fa hanao izay danin’ny kibony, ka hanjanaka ny samy Malagasy satria ho azy ireo irery ny harena sy ny tombotsoa eto amin’ny tany sy ny firenena, ka ho vonoina na gadraina izay rehetra misakana azy ireo amin’izay tiany hatao?

VALINY “TSIA”!

 

2/-Raha mifidy ny ENY isika, dia hanamafy ny fanjakan’ireo mpanongam-panjakana, tsy manara-dalàna fa manao izay tiany hatao fotsiny. Efa mazava izao, fa tsy hanaiky io fitondrana io na oviana na oviana ireo Vondrona  Iraisam-pirenena. Inona no antony, satria tsy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena izay efa nosoniavin’i Madagasikara ny fanonganam-panjakana. Io lalàna iraisam-pirenena io no hafahana miaro ny mahantra, ny malemy, ny zaza amam-behivavy, ny zoky olona, ireo rehetra tsy afaka hiady amim-basy sy tafondro sy ny didy jadona manafoana ny zon’olombelona hiaina tahaka ny olona afaka rehetra eto an-tany. Tsy hisy intsony ny fanampiana homen’ny vondrona iraisam-pirenena hanaovana tetik’asa vaventy hanatsaràna ny fianam-bahoaka, fa vola avy amin’ny mpandraharaha sy firenena tsy hatokisan’izao tontolo izao no ho azon’izay hitondra ny firenena eo, ka tsy maintsy haverina aminy miaraka amin’ny zanany mihoampampana  na tiana na tsy tiana, ary ny hetra halaina amin’ny vahoaka ihany no handoavana izany trosa izany, ary satria avo folo na roapolo eny na mihoatra lavitra amin’izany ny zanabola, dia hisondrotra araka izany koa ny hetra tsy maintsy haloantsika vahoaka. Raha manara-dalàna anefa ny fitondrana misy, dia hahazo izay vola hilaina sady  kely dia kely ny zanabola halain’ny Vondrona Iraim-pirenena. Tsy vitan’izany ihany, fa ny findramambola ivelan’ny sehatra tsy manaraka ny Vondrona Iraisam-pirenena dia hafahan’ireo mpampindrana mitaky ny hitrandraka ireo harem-pirenena misy tahaka ny vatosoa, ny hazo fady, sy izay rehetra tiany, ho amin’ny tombotsoan’izy ireo ihany, fa zara raha misy ho an’ny malagasy. Ekentsika ve izany?

VALINY “TSIA”!

 

3/-Mpitondra firenena TSY ARA-DALANA ireo mitondra ny tetezamita ireo. Mila ny vahoaka hifidy ny Lalàm-panorenana izy ireo mba hilazàna fa, matoa nifidy ny maro an’isa, na ENY na TSIA, dia efa manaiky ny fanjakana misy azy, satria nanaraka ny toro-làlana nomen-dr’i zareo! Ka izay no ho entiny hanohitra ny Vondrona Iraisam-pirenena mba hilazany fa ny vahoaka Malagasy dia efa nisafidy ny hanome hasina ny fitondrana najoro tamin’ny fanonganana ny fitondrana lanim-bahoaka teo aloha. Ny lalàna sy ny fahamarinana no resahintsika izao fa tsy i Ratsiraka, na i Zafy Albert, na i Ravalomanana,  na i Andry Rajoelina. Rehefa mandika lalàna dia diso na iza na iza, koa samia mandinika tsara. Ekenao ve raha olona avy any ivelan’ny tokatranonao no hanao ankeriny ka hilaza fa manomboka izao dia izy no loham-pianakaviana, fa ianao roahiny tsy hipetraka miaraka amin’ny vady aman-janakao intsony? Dia ho tambazany fiara sy trano vaovao hatao trosa ny fianakavianao dia hanaiky azy ve? Tahaka izay koa ny tanindrazana. Ny vahoaka iray manontolo no mifidy, ka izay lanin’ny maro an’isa no mitantana ny fiainany, fa tsy izay manongana azy sanatria. Marina ve izany sa tsia? Rehefa tsy tian’ny vahoaka izay filoha mitondra ara-dalàna, dia tsy fidiana intsony rehefa tonga ny fifidianana manaraka, fa izay hafa hitan’ny maro an’isa fa hahavita azy indray no fidiany.

 

4/-Ny Lalàm-panorenana aroso amintsika dia efa nodinihin’ny manam-pahaizana maro samihafa, ka nilazan-dr’i zareo fa tsy

hamaha ny olana nateraky ny fanonganam-panjakana io, no sady tsy hitondra ny fanavaozana tadiavin’ny vahoaka satria ny tsy nety rehetra tamin’izay lalàm-panorenana rehetra nisy teto Madagasikara no ao anatiny ao, ohatra: famaritana lalàna hafahan’ny filoham-pirenena hanao didiko fe lehibe, fanangonana ny fahefana rehetra ho eo aminy; ny tsy famaritana ny faharetan’ny fotoana tetezamita ka hafahany manalava an’izany amin’ny izay hitiavany azy …sns…tsy hary voatanisa.

 

FEHINY: Ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana dia fanamafisana ny fitondrana jadona sy tsy ara-dalàna, na ENY na TSIA no fidianao. Ka tokony tsy hifidy ve? An’ny tsirairay sy ny heritreriny no manapaka, fa fanazavàna no anay. Ny azo antoka dia tsy hahazo ny “Fankatoavana avy amin’ny  fianakaviana iraisam-pirenena” io fitondràna jadona io, na ahoana na ahoana.

 

Misaotra tompoko

 

 

rov@higa

 

FANAMARIHANA :

Raha misy hafatra, na laha-tsoratra, indrindra vaovao mikasika ny faritra dia alefaso amin’ity adresy e-mail ity :

 

rovahiga.imanga517@gmail.com

 


Par rovahiga - Publié dans : Réflexions - Communauté : DON-TANDROKA
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Retour à l'accueil

 
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus - Articles les plus commentés