Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

HISIKINO ARY, FA ISIKA VAHOAKA NO TOMPONY !

27 Novembre 2011, 11:52am

Publié par rovahiga

Manana lanja manokana ity lahatsoratra manaraka ity, ka nofidianay haverina hiaraha mamakafaka hitsinjovana ny ho avy. Etsy ambany manaraka azy kosa ny hevitray sy fifanakalozan-kevitra tsara zaraina amin’ny rehetra.

rov@higa

Lehiben'ny miaramila Olon-dRatsiraka avokoa
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6000&idcat=2
Anisan'ny nanamora ny fahatongavan'ny filoha Ratsiraka Didier teto Madagasikara ireo lehiben'ny miaramila izay saika olona novolavolaina tamin’ny fitondrany avokoa.
 Tsy vitan'izany fa olona natokisana tamin'ny fotoana nitondrany izy ireo, toy ny tompon'andraikitry ny FAT amin'izao fotoana izao. Anisan'izany ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André, RESEP teo aloha ny tenany ary kaomandin'ny kaompania iray mihitsy tamin'izany fotoana teo anivon'ny Régiment de sécurité présidentielle (Resep). Teo ihany koa ny jeneraly Ravalomanana Richard izay nitana andraikitra saropady ihany koa nandritra ny fitondrana Ratsiraka. Izy mantsy no tomponandraikitry ny fikaroham-baovao (renseignements) teo anivon'ny fiadidiana ny praiminisitra fony Tantely Andrianarivo praiminisitra. Mbola nitondra ny galona kapiteny ny tenany tamin'izany.
Ankoatra ireo dia nisongadina koa ny lehiben'ny CMDN amin'izao fotoana izao, dia ny jeneraly Rabarisoa Ranto. Izy indray dia nitana ny andraikitry ny «porte serviette» ny amiraly mihitsy fony ity farany filoham-pirenena. Teo ihany koa ny minisitry ny polisy amin'izao fotoana izao, ny Controleur général Rakotondrazaka Arsène izay niady mafy ho an'ny amiraly mihitsy tany Fianarantsoa nandritra ny fifandonana tamin'ireo mpitolona tamin'ny taona 2002. Saika namoy ny ainy mihitsy ity lasa minisitra amin'izao fotoana ity tamin'izany satria tapaka mihitsy ny tanany. Ireo rehetra ireo, ankoatra izay tsy voaresaka, dia azo ilazana ary manamafy ny zava-nisy omaly teto an-drenivohitra fa nanamora ny fahatongavan'ny deba teto an-tanindrazana ny miaramila sy polisy. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa nisy fivoriana notontosain'ireo tompon'andraikitra ireo nanomanana iny omaly iny. Mety hanova zavatra, araka izany, eo amin'ny krizy misy eto amin'ny firenena ny fahatongavan'ity filoha teo aloha ity. Izy izay nanizingizina fa ilaina ny loabary an-dasy andraisan'ny filohan'ny ankolafy rehetra sy ny filohan'ny antoko rehetra hamahana ny krizy. Tsy mety hoy izy, raha mbola misy olona any ivelan'ny Madagasikara tokony handray anjara amin'ny fifampiresahana hamahana ny olana eto an-tanindrazana.


HISIKINO ARY, FA ISIKA VAHOAKA NO TOMPONY !

Miainga amin’io lahatsoratra eo ambony ary, dia misy ny fisehoan-javatra mahavaka dia mahavaka. Tsy niteniteny foana izahay raha nilaza fa nahazo ary tsara toerana daholo ireo “olon-dRatsiraka” ao anatin’ity fitondrana tetezamita ity. Indrindra nanomboka tamin’ny “fanonganam-panjakana 2009”.

Tonga aty amin’ny 2011 nitsanganan’ny governemanta iraisam-pirenena, dia toa tsy niova izany toe-javatra izany, ary miandry ny hametrahana ny CS sy ny CST ary ireo rafitra rehetra hitantana ny Tetezamita iraisanana vao afaka hanamarina tanteraka ireo rehetra ireo isika.

Mialoha an’izany, dia lasa ny heritreritra ka mampanontany tena hoe:
-Tena tsy nahafantatra an’izany ve ny manodidina an-dRajoelina, ka efa tara aty aoriana vao mikiropaka fa tena vaodidin’ireo olon-dRatsiraka tanteraka ny fitondrany? Hiasarotra mantsy ny tantana manomboka izao raha miray saina tampoka ireo, ka tsy handray baiko afa tsy avy amin-dRatsiraka. Mbola mila hamarinina koa anefa hoe: hivadika hanara-dia an-dRatsiraka tokoa ve ireo? Na io eo amin’ny sehatry ny mpanao politika, na ao anatin’ny tafika. Tsy hafenina fa sarotra koa ny hino avy hatrany fa I Rajoelina sy ireo akaiky azy dia tsy nahazo antoka tamin’ireo fa efa naman’ny efa lasa izany Ratsiraka izany?

-Ary sao efa tetika avo lenta, fato-maty efa nazava hatreny amboaloany kosa, fa hiray tanjona tanteraka ny roa tonta hafahana manilika mora foana izay manelingelina sady tiana hanaovana valifaty? Misy hiraisan-tsaina tokoa mantsy izy roa tonta ireo raha ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tiana halentika. Tadidin-tsika tsara ny teny navoakan’I Ratsiraka hatreny amboalohany fa izy sy ny mpiara-dia aminy no tena nanongana an-dRavalomanana ! Misy lafiny ratsy tsy hafahana hino an’io tetika io: Raha tena hanohy hanao politika tokoa I Ratsiraka, dia sarotra ho azy ny hanangam-pahavalo an’Antananarivo izay mizara amin’I Rajoelina sy I Ravalomanana. Toa manamafy an’izany ny fifandraisany amin’I Ravalomanana amin’izao fotoana izao. Izahay mino fa nisy tsy nety ny fifandraisan’I Ratsiraka sy I Frantsa renimalala, ka naharesy lahatra azy nisafidy ny hiray tetika amin’I Ravalomanana sy Zafy Albert hanovàna ny toe-javatra eto Madagasikara.

Ny fiovaovan’ny fihetsiky ny ankolafy telo eo amin’ny fanapahan-kevitra sy fiaraha-mientana dia baikon’io stratejika napetraka io. Hitarika seho goavana sy famaritana mazava ny fifampihombàna, fifankahalàna tanteraka eo amin’ny sehatra politika ny fiverenan’ny zanak’I Dada, Tojo Ravalomanana, sy ireo tànankavanany, Guy Rivo, ka na hisy fisamborana na tsia dia ho sahirana mafy I Rajoelina sy ireo mpomba azy.

Mbola lavitra sy sarotra toa izany ny hivoahana amin’ity krizy ity, kanefa hiazakazaka ny tantara manomboka izao, ka izay hiafarany hiafarany. Dinio dieny izao kosa ireo ho mendrika hitantana ny repoblika faha efatra, fa hiankina amin’izany ny hafahan-tsika manangana firenena vanona sy mendrika hanarina ny fiainan’ny mponina ao aminy. Diniho tsara, fakafakao lalina fa tsy hananan-kavana ny raharaham-pirenena, ka aoka ny saina no hifidy fa tsy ny fo.

rov@higa

Commenter cet article