HAFATRA AVY AMIN’NY HMF : 05 Mey 2012

Publié le par rovahiga

hetsikynympitondrafivavahana@yahoo.fr

Téléphone: 033 09 101 91 – 033 72 019 76

HAFATRA AVY AMIN’NY HMF : 05 Mey 2012

 

Efa nilaza sy niteny izahay Mpitondra Fivavahana fa mbola ho latsaka ao anaty Krizy lalina ny firenena ,raha tsy mitodika amin’Andriamanitra ka miverina amin’ny làlan’ny fahamarinana isika rehetra . Amin’ny alahelo sy fahatafintohinana tanteraka anefa no mbola hanambaranay fa tena efa fefika isika ,hafa –tsy ireo namorona ny Krizy ary tsapa izao fa tsy ny fifanekena vita an-tsoratra no manahirana fa ny olona nanao fanekena nefa mahita fanamarinan-tena tsy hanatanterahana izany no tena olana .

 

Tsapanay tokoa ny maharary ny vahoaka , indrindra ny vahoaka tsy mandady harona , ny mpiasa , ny mpampianatra , ny very asa , ny mpanao gazety , ny Mpitsara , ny tantsaha , ny Mpitsabo , ny tsy an’asa ..ny Mpampiasa sy tompon’orinasa na kely na lehibe …satria miaina izany koa izahay . Tsy fanafody anefa no nahosotra izany fery maharary antsika izany fa fampiasan-kery sy fandrahonana lava izao ,koa mahatsiarova tena ,aza mandrimandry manana aretina NDEHA HIARAKA ISIKA , hiara-miverina amin’ny làlan’ny fahamarinana homban’ny finoana an’Andriamanitra Ilay Tompon’izany fahamarinana izany fa tena kolontsaina Malagasy izany!

 

Mivavaka ho an’ireo rehetra mahatsiaro ho voahitsakitsaka zo izahay Mpitondra Fivavahana , na iza na iza hianareo ; miara-mitomany aminareo izahay ary mahazo tsara ny olana mianjady aminareo , azonay tsara ny fanirianareo fa tsy ny hamotika ny firenena na ny zanaky ny firenena sanatria fa ny hitaky ny rariny sy ny hitsiny hahazoanareo mijoro ho Raiamandreny tokoa , ho zanaka tokoa , ho olom-pirenena tena vanona .Mahereza ary mitrakà hatrany fa Andriamanitra momba anareo !

Mbola miantso ny fahatsiarovan-tenan’ireo mitana ny fahefana eto Madagasikara izahay hoe: “Aza dia manao an’Andriamanitra ho tsy misy re Tompoko o “, mba jereo ihany ny rariny aza dia ampahoriana toy izao ireto vahoaka Malagasy ,efa fadiranovana ireto! Ajanony ity Krizy ity fa tena ady amin’Andriamanitra ny fikirizana hanohy izao fomba ratsy izao ary fantatrareo tsara ny dikan’ny hoe miady amin’Andriamanitra ! Tsy hahasoa na iza na iza ny miady Aminy ka aoka eitsy! Manontany tena izahay hoe : ‘’dia tsy manan-tsofina ho enti-mihaino tokoa ve isika e ?! Ela izay niantsoantsoana fahafahana izay fa fangejana no valiny !

“ Mivoria ka avia ,ary miaraha manatona ..Eny aoka hiara-misaina izy..ao amin’I Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery“ (Isaia 45 : 20a,21b,24a)

 

Mitodika mivantana amintsika rehetra mahatsiaro tena hiharan’ny tsy rariny izahay , hianareo rehetra efa nilaza fa mangetaheta fahamarinana , hianareo rehetra efa nanambara fa mitady ny lalana hivoahan’ny firenena amin’izao Krizy izao .Ny ‘’soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona ‘’ ( 2Kor.3:6 ) , ny hery tsy mahaleo ny fanahy , .Mitsangana ndeha hiara-mitodika amin’Andriamanitra isika ! Isaorana an’Andriamanitra fa sokajin’olona maro no efa nanoina izany antso izany ka naneho ny fahavononany hiara-misalahy aminay .Mijoroa ! sahia !ndeha hiara-misaina ny hametrahana ny fahamarinana eto amin’ny firenentsika isika ! Ndeha hasehontsika indray fa mbola misy olona tena matahotra an’Andriamanitra eto ary tena tia ny mpiray tanindrazana aminy fa tsy mamitaka azy mba hahazoana vola na toerana ! Esory ny tahotra !hialao ny kajikaly politika mahavalalanina ny maro , aza mitoka-monina fa ndeha horesena amin’ny herin’ny fanahy izao hery manimba ny mpiara-belona amintsika izao. MIVONDRONA fa VONONA HIJORO EO ALOHANAREO IZAHAY MPITONDRA FIVAVAHANA!

 

« Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, » (Isaia 62:1)

 

NY HETSIKY NY MPITONDRA FIVAVAHANA

Publié dans COMMUNIQUE

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article