Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

HAFATRA

2 Décembre 2010, 15:30pm

Publié par Tianay ny Taninay

HAFATRA

 

HO AN’NY VAHOAKA MALAGASY : MIJOROA, MITENENA !

-          Maro ny mihevitra fa kanosa ny Malagasy, mora lalaovin’ny mpanao politika, manaiky lembenana fa mandray izay fahaboazana manjo ho lahatra, …TSY MARINA IZANY !

-          Hendry ny Malagasy, maka fotoana handinihina, TONGA NY FOTOANA HIJOROANA

-          Ambarao amin’ny fivoriana, haino aman-jery, eny an-dalam-be, amin’ny olona rehetra mifanerasera aminao ny tsy mety amin’ny fiainanao sy amin’ny firenena

-          Tsy voatery hanome tsiny ianao fa mitaky kosa ny fanarenana

-          Aza manejnika olona na miteny ratsy azy

-          Hevi-dehibe vitsivitsy (ohatra): MIJALY IZAHAY – MIFANARAHA IANAREO MPANAO POLITIKA – MIFONA AHO – MAMELA AHO – IRAY NY MALAGASY – NDAO HIHAVANA – MILA ASA MAHARITRA…

-          Aza miandry mpanao politika hitarika fa raha am-pilaminana no hitarainana sy hampitana teny dia tsy misy lalàna mandrara izany, fa aza korontanina ny fizotry ny fiainam-bahoaka

-          Tolory voninkazo fanehoana fitiavana ny mpitandro filaminana sendra anareo

 

HO AN’NY MPITONDRA TEO ALOHA

-          Nanao izay noheverinareo hahasoa an’i Madagasikara ianareo. Nahavita be ianareo. Nisy koa ny fanararaotana sy ny tsy nety: MIBEBAHA AMIN’ANDRIAMANITRA, MIFONÀ AMIN’NY VAHOAKA, MAMELÀ IZAY NANAO RATSY TAMINAREO, AZA MITANA LOLO-PO, AZA MITETIKA HAMALY FATY

 

HO AN’NY MPITONDRA ANKEHITRINY

-          Efa mandeha ny fanovana nijoroanareo

-          Mba ho fiovana ho amin’ny tsara no hita, atsaharo ny fomba ratsy izay nokianinareo fatratra taloha

-          MIBEBAHA, MIFONÀ, MAMELÀ, AZA MITANA LOLO-PO

-          Aza mifikitra amin’ny seza tetezamita fa mifantoha amin’ny fahefana tena avy amin’ny vahoaka amin’ny alàlany fifidianana marina, madio, malalaka, mangarahara

 

HO AN’NY MPITONDRA HO AVY

-          An’Andriamanitra irery ihany ny Fanjakana sy ny Hery ary ny Voninahitra. Raha mendrika ianareo dia homeny anareo maimaimpoana ireo fa tsy mila alaina an-kery na an-kafetsena

-          Miandrandra anareo ny vahoaka, hitsara anareo koa ny vahoaka

 

HO AN’NY MPANAO POLITIKA

-          Fantatra fa tokana ny tanjonareo dia ny hahazo ny fahefana: mifikitra aminy ny manana azy ary miezaka haka ny fahefana ny tsy manana azy

-          Samy milaza ianareo fa mandala ny demokrasia (fitantanana ny raharaham-pirenena miainga amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka) ka aza miady hitantana ny tetezamita fa miomàna ho amin’ny fifidianana

-          Asehoy fa tena tia ny tanindrazanareo ianareo ary tia koa ny mpiray tanindrazana aminareo, fa tsy tarihin’ny ambom-po, fitiavan-tena sy fitadiavana tombontsoa…fotsiny

-          Fantatrareo tsara fa tsy maintsy hampiasain’izay eo amin’ny fitondrana foana ny fahefana am-pelatanany handreseny amin’ny fifidianana ho avy, ka tsy rariny, tsy hitsiny izany

HO AN’NY MPITANDRO FILAMINANA

-          Tandroka aro ny vozona ianareo, ampinga aro ny vahoaka

-          Ho an’ny Tanindrazana ny teny filamatra fa tsy ho an’antokon’olona

-          MIFONÀ, MAMELÀ, AZA MITANA LOLO-PO, AZA MAMALY FATY

-          Rainao, reninao, rahalahinao, anabavinao io olona maneho hevitra am-pilaminana io: aza anaovana herisetra izy ireo

-          Rariny loatra kosa raha miaro ny vahoaka sy ny fananany ianareo amin’izay mpanararaotra mitady hanakorontana, handroba sy hanimba

 

HO AN’NY MPANAO GAZETY

-          Ny serasera voizin’ny haino aman-jery no fomba mahomby indrindra ampanjakana ny demokrasia raha afaka milaza malalaka hevitra ny vahoaka ary raha mitatitra ny zava-misy marina ny mpanao gazety

-          Fantatrareo ny adidy aman’andraikitry ny mpanao gazety (jereo www.mediasinfo.com/munich71.htm)

 

HO AN’NY OLON’NY FINOANA

-          Mba tsy hanjakan’ny ratsy eto Madagasikara dia manana adidy goavana ianareo hampitodika ny vahoaka Malagasy amin’Andriamanitra

-          Fantatrareo fa ny hafatra avy amin’Andriamanitra dia fitiavana fa tsy fankahalana, hitondra ny fiadanana. To-teny ianareo fa madio fo ka hampaherezo ny tompon’andrikitra fantatrareo

-          Hanenika ny fo ny Malagasy rehetra anie ny fitiavana avy amin’Ilay Nahary ka handray ny fiadanana isika aloha ny fahatongavan’i Kristy Tompo amin’ny Noely 2010

 

HO AN’NY TANORA

-          Ny ho avinareo no hanjary na ho simba ka mijoroa ianareo

-          Henoy ny anatry ny zokiolona fa ny hahasoa anareo taranaka no katsahiny

 

HO AN’IREO MAHAZO NA MBOLA MIKATSAKA TOMBONTSOA AMIN’NY TETEZAMITA

Anotanio ny feon’ ny eritreritrareo, henoy ilay fanahy tsara ao anatinareo ka anjaranareo no mahita raha tena ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny ataonareo na ho an’ny ambo-ponareo tafahoatra, fitiavanareo voninahitra, vola aman-karena sy tombontsoa maro hafa

 

HO AN’NY NAMANA MIOMBON-KEVITRA AMINAY

-          Aparitao arak’izay tratra ny lahatsoratra roa: “HO FAMAHANA NY OLANA” – “HAFATRA”

-          Ataovy printy dia aelezo eran’i Madagasikara, manaova peta-drindrina sy “banderoles”

-          Entano ny olona hilaza ny heviny, hanaitra ny tompon’andraikitra rehetra sy hanohitra ny tsy rariny

 

HO TAHIAN’ANDRIAMANITRA ANIE I MADAGASIKARA SY NY VAHOAKA MALAGASY!

 

Raha te hiaraka aminay ianao dia andefaso teny fampaherezana sy soso-kevitra amin’ny adiresy mailaka tianay.ny.taninay@gmail.com                                                              

                “Tianay ny Taninay”, 30 novambra 2010

TENY NY HENDRY HO AN’NY MANAM-PANAHY

 

OHABOLAN’NY NTAOLO

-          Totofany lainga ka dia miaritra ihany, ilazany ny ampitso lava ka dia miramirana (voafitaka nefa manaiky izany)

-          Ny ala-fo mandroaka ny nenina (ataovy izay tokony hatao rehetra mba tsy hanenenana aoriana)

-          Aza manao tompony mangataka atiny (an’ny vahoaka Malagasy i Madagasikara)

-          Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra

-          Nahoana no faly asian-dratsy toa tsihy?

-          Trafon-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritreritra

-          Ny hery tsy mahaleo ny fanahy

-          Sandry be tsy hery, fahatahorana tsy ody faty

-          Tsongoy fon-tena, tsongoy fon’olona, fa raha mahalala maharary ny an-tena, mba mahalala maharary ny an’olona

-          Ny adidy tsy omena ny olon-dratsy

-          Aleo halan’andriana toy izay alam-bahoaka

-          Ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy enjehin’ny nataony

-          Ratsy ianao raha ratsy olo-manaraka

-          Mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha (ny mpitondra fanjakana)

-          Ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina

-          Aza manao gisalahy homan-ketsa, ka ny homana ny an’olona indray no avo feo

-          Toy ny tery omby ririnina: atao tsy mankahia ny reniny, tsy mahabotry ny zanany

-          Aoka hatao resaka fa raha atao ady mandany fananana

-          Kibokiboin’ny rariny ka milaza tsy anontaniana (tonga dia mijoroa milaza ny rariny sy ny marina)

 

TENY NOTSONGAINA

-          Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Andriamanitra (Salamo 32: 8)

-          Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy (Salamo 97:10)

-          Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra (Salamo 127:7)

-          Mitady ny Tompo, Mpanjaka, Andriamanitry ny olona aho hiaro ahy amin’ny ratsy ampidirin’ilay mpanolotsaina ratsy mijoko sy mibitsika ao am-pon’ ny olona, na fanahy ratsy io na olom-belona (Korany, sourat 114)

-          Sady mahay ny zavatra rehetra no hendry Andriamanitra. Mamela heloka izay hitany mendrika izany Izy. Famaizana maharary kosa no homaniny ho an’ny olon-dratsy (Korany, sourat 76)

-          Mbola ho avy ny andro handresentsika, hifampitantanantsika, hiarahantsika mihaina am-piadanana, tsy matahotra isika, tena mino izany amin’ny foko manontolo aho (hira ny mpitolona amerikana mainty hoditra)  

-          Fifandeferana no fitsipika volamena ny fitondrana ny fiainana satria tsy hitovy mihitsy ny eritreritsika, ka tsy hahita afa tsy marina ampahiny avy isika (Mohandas Karamchand Mahatma Gandhi)

-          Tsara kokoa ny mampiasa hery (violence) manohitra ny tsy rariny raha izany no ao am-ponao noho ny miondrika sy manafina ny hakanosana ambadiky ny tsy fampiasan-kery (non violence) (MKMG)

-          Tsy afaka mamela velively ny osa. Fahendren’ny olo-matanjaka ny famelana (MKMG)

-          Mitovy foana ny vokatry ny herisetra sy fanimbana ho an’ireo olona maty, kamboty sy tsy manan-kialofana, na natao izany amin’ny anaran’ny fitondrana jadona, asa masina, fahafahana, na demokrasia (MKMG)

-          Aloha ny hiainganao hamaly faty, mangadia fasana roa (Kung-Fu-Tzu, Conficius)

-          Hajao ny tenanao dia ho hajain’ny hafa ianao (KFTC)

-          Marina sy mahitsy ny olon-kendry, mahay mandefitra izy fa tsy miondrika (KFTC)

-          Rehefa tsy matahotra ny mpitondra jadona intsony ny vahoaka, efa miandrandra fitondrana hafa izy izay (Laou-Tseu)

-          Ny tsy rariny ampiharina amin’olona iray dia fampitandremana miantefa amin’ny hafa rehetra (Charles de Secondat Montesquieu)

-          Raha tsy tiana hanao jadona sy fanangejana ny fahefana mpanatanteraka, aoka ny tafika ho avy amin’ny vahoaka sy hiray saina amin’ny vahoaka (CdSM)

-          Tsy mbola azo lazina hoe misy ny fahafahana raha tsy misaraka tanteraka ny fahefana mitsara, manao lalàna, sy manatanteraka (CdSM)

-          Aza anotaniana hoe inona no azo ny firenenao hatao ho anao. Manotania tena hoe inona no tokony hataonao ho an’ny firenenao (John Fitzerald Kennedy)

-          Izay misakana ny fitakiana fanovana lehibe (révolution) am-pilaminana dia manosika ho an’ny fitakiana harahina herisetra (JFK)

-          Mety ho olona iray ihany no hahavita ilay asa goavana, fa tokony samy miezaka ny rehetra (JFK)

-          Tonga ny andro hanasitranana ny fery sy hampitambarana ireo nisara-bazana. Fotoana ny fanorenana amin’izay izao (Nelson Rolihlahla Mandela)

-          Fanaovan-gazety malalaka, mahaleotena, manao fikarohana sy fanadihadiana no rà manome aina ny demokrasia (NRM)

-          Tsy afa-misaraka ny fanarenana sy ny fampihavanana (NRM)

-          Ilaina ny rafitra ara-pinoana satria ireo no mikajy ny fanahy ny mpiara-monina, mitandro ny fahamarinana, ary miaro tsy amin-tahotra ny osa sy ny voa ny tsindry hazo lena (NRM)

-          Ny fiaraha-monina tsy manome lanjany ny olobe dia mandà ny faka niaviana ka mitarika loza ho an’ny hoavy (NRM)

-          Raha vahoaka tsy sahy hamaha amin’ny tanany ny gadra mamatotra azy, hiova mpitondra jadona fotsiny fa tsy hahazo fahafahana velively (José Maria de Heredia)

-          Ny fahamarinana (vérité-justice) no maha ambony sy matanjaka ny firenena (Émile Zola)

-          Raha rava ny zavatra naorinao nandritry ny fiananao ka tsy mitaraina ianao fa tonga dia manorina indray, raha tsy mankahala ny mankahala anao ianao nefa hiady hiaro tena, raha mendrika anaty ny vahoaka ianao nefa afaka manoro hevitra ny mpitondra, raha mbola manana herim-po sy saina matsilo ianao nefa ny namanao hafa efa resy, dia ho tena lehilahy ianao anaka (Rudyard Kipling)

 

 

Raha te hiaraka aminay ianao dia andefaso teny fampaherezana sy soso-kevitra amin’ny adiresy mailaka tianay.ny.taninay@gmail.com

 

 

“Tianay ny Taninay”, 30 novambra 2010

Commenter cet article