Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Filoha RAVALOMANANA : « fitoniana no tokony alohan’ny zava-drehetra »

4 Novembre 2011, 17:19pm

Publié par rovahiga

http://s1.lemde.fr/image/2009/10/28/546x273/1259617_3_e60a_l-ex-president-malgache-marc-ravalomanana-vit.jpg

 

 

http://collectif-gtt.org/

 “Tsy handray anjara amin’io governemanta io ny Ankolafy RAVALOMANANA” hoy ny Filoham-pirenena raha nitafa tamin’ny mpanao gazety Malagasy tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny tenany. Tsy maintsy avoaka aloha ny gadra politika, miverina an-tanindrazana ny sesitany, misokatra ny hainoamanjery nakatona ary miverina malalaka ny fanehoan-kevitra izay vao azo antoka fa hampihatra ny tondro zotra ny praiministra vaovao ary afaka miara-misalahy aminy ny Malagasy tsy an-kanavaka. “Tsy hankato an’iny fanendrena iny velively ny tenako” hoy ny Filoha RAVALOMANANA “raha tsy maneho imason’izao tontolo izao fa hanatanteraka ny tondro zotra marina izy sy izay governemanta hajorony”. Araky ny hevitry ny Filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA dia sarotra aminy ny hanendry ireo mpanaraka azy izay handray anjara ao anatin’izao tetezamita izao raha tsy eto an-tanindrazana ny tenany. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy ny antoka azo mikasika indrindra ny fanatanterahana ilay andininy faha-20 ao anatin’ny tondro zotra sy ny fametrahana fahatoniana politika ary tsy azo antoka ihany koa fa tsy hitanila any amin’ny vondrona politika nisy azy I Beriziky Omer. Nambaran’ny Filoham-pirenena moa fa “tsy miafina amin’izao tontolo izao intsony fa sekretera jeneralin’ny antoko leader fanilo ity praiministra ity”, io antoko io anefa dia mavitrika ao anatin’ny vondrona UDR-C manohana an’I TGV. Tsy mamela ny vahoaka Malagasy hanirery anefa ny Filoham-pirenena fa mbola nilaza mazava fa “hametraka fanontaniana amin’ny TROIKA sy ny SADC” ny tenany ahafahany mahita “ny lalana mazava harahin’ny Ankolafy RAVALOMANANA hivoahana amin’ny krizy”.

 

Taorian'ny famelabelarana nataon'ny Filoha RAVALOMANANA dia niroso tamin'ny famaliana ireo fanontaniana napetraky ny mpanao gazety ny tenany. (Voir le document audio sur le site)

 

 

En résumé :

Le president Marc Ravalomanana déclare ne pas reconnaitre le premier ministre Omer Beriziky suite à la

procédure de sa nomination qui ne respecte pas la feuille de route. Marc Ravalomanana exige la libération des prisonniers politiques, le retour de tous les exilés, la réouverture des stations de radio et de télévision avant toute chose, car la première chose à faire et d’appliquer des mesures d’apaisement selon lui. Il engagera des discussions avec la Troïka et la SADC pour savoir ce que devrait faire sa mouvance pour la sortie de crise.

 

rov@higa

Commenter cet article