Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

FETY FOANA, FETY FOANA NEFA NOANA

14 Décembre 2010, 14:49pm

Publié par Princeandry

FETY FOANA, FETY FOANA NEFA NOANA

Communiqué par Ihanta Randriamandrato

 

Hifety indray izao ianao, hanakonana ny atao.

Moa va mba tsapanareo? izao fahantrana izao?

Tsy ny fety no tsy ilaina, fa mbola maro ireo aina,

Izay mosarena lava izao, tsena mora no natao.

 

Antsoy daholo ireo mpihira, andanio ireo safira,

Bolabola sy ny sisa, toa maro be tsy ho voatanisa.

Any atsimo any izao, ny mosary mankalao,

Ny anao zao fety lava izao, ny tapitrisa lanianao!

 

Mba jereo ireo rahalahy, anabavy zoky zandry,

Very asa noho ny tolona, arahi-neni-mamololona.

Ataonay ny tsy hiteny, sao dia tafahoatra ireny,

Omeo asa izireo, fa tsy sary arahim-peo.

 

Jereo fa mitombo ireo mpivarotra, izay mivadika maharitra,

Asa mankaiza nefa ireny, raha ny ho avy no kendreny?

Iza intsony no hividy, raha tsy eo ny vola hamidy?

Aiza intsony no aleha, fa feno azy ny arabe?

 

Any izao fianakaviana, tena anaty fahoriana,

Miandry ilay dadabe noely, voky ireo tsaho izay miely.

Na ianareo na ny mpanohitra, mody fanina misoratra,

Omeo anay omeo anay, ny fahaleovantenanay !

 

Aoka izay, tena aoka izay fa ma ....mpiteniteny foana!!!!!

 

Princeandry, 10 desambra 2010 > 14:22

Commenter cet article