Quantcast

Présentation

Hain-teny/Ohabolana

                             Booste le trafic de ton blog

 

  

-   Tari-drano an-kilahila, ny very no be noho ny tonga

 

 

 

                     http://www.linternaute.com/0_newsletter/nature/185/images/aigle.jpg

 

 

Tsy satrim-parihy hitera-potaka, fa ao ihany Ra-nanakobana !

 

 

 

 

 

 

 

Wikio

Recherche

TWITTER

Partager

Syndication

  • Flux RSS des articles

Créer un Blog


web counters 

 

Catégories

Calendrier

Juin 2013
L M M J V S D
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
             
<< < > >>
Mercredi 1 septembre 3 01 /09 /Sep 20:23

COMMUNIQUE

Objet:FANAZAVANA MIKASIKA FIVORIANA VONTOVORONA SY CONFERENCE NATIONALE

*Fanazavana :*

*/1. /**/Mikasika ny dinika eny amin’ny Les Hérons eny Vontovorona :/*

Ny dinika natao teny Vontovorona tamin’ny 27-28-29 aogositra 2010 notarihin’ny CNOSC dia niato kely taorian’io daty io satria mbola nanao tomban’ezaka sy mikaroka fomba hitondrana ny tohin’ny fanelanelanana mba hampahomby an’izany ny CNOSC.
Izany hoe, tsy mbola nitohy iny fanelanelanana iny tamin’ity herin’andro ity. Ka manamarika izahay fa ny fivoriana nitranga teny Vontovorona nanomboka tamin’ny alatsinainy 30 AOGOSITRA teo dia tohin’ny fivoriana nataon’ny ESCOPOL teny Ivato, ka tsy misy ifandraisany amin’izay tarihin’ny CNOSC. Mbola eo am-pamaritana ny daty hanohizana ny dinika ny CNOSC.

*/2. /**/Mikasika ny Conférence nationale kasaina hatao amin’ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010 :/*

Tsara ny mampahatsiahy fa misy Conférence nationale karazany roa no resahina amin’izao fotoana izao. Misy ny Conférance nationale izay tohin’ny Dinika santatra ary Conférence nationale izay kasain’ny CNOSC hotanterahina.

(i) Ny voalohany, izay heritreretina hatao ny 13-18 septambra 2010 dia natao hanatanteraka ny feuille de route napetrak’Andriamatoa Andry Rajoelina tamin’ny 12 mai 2010, izay tsy nifanarahana tamin’ny ankolafy politika rehetra ary tsy nahazo ny fankatoavan’ny vondrona iraisam-pirenena. Izy io dia mitovy tanteraka amin’ny Assise nationale, conférences régionales sy dinika santatra izay efa natao ary tsy nitondra vahaolana ho an’ny krizy ary tsy nahatonga ny firenena Malagasy nahazo reconnaissance internationale.

(ii) Ny Conférence nationale kasain’ny CNOSC hotanterahina kosa dia miankina tanteraka amin’ny fahavitan’ny fifanarahana ara-politika hosoniavin’ny ankolafy politika rehetra miaraka tsy misy ankanavaka. Io Conférence nationale io no hanome hery sy hasina ny sonia natao ary hametraka ny fototry ny repoblika vaovao izay hapetraky ny ankolafy politika rehetra miaraka ary iarahana amin’ny vondrona iraisam-pirenena izay iarahantsika mahalala fa manohana tanteraka ny asa rehetra ataon’ny CNOSC. Ny daty hanaovana io Conférence nationale io dia tsy maintsy hifanarahan’ny ankolafy politika rehetra aorian’ny fahavitan’ny sonia.

Ny Tonia Nasionaly ny VOIFIRAISANA/PFNOSCM

Mahamoudou NDRIANDAHY

Par Mahamoudou NDRIANDAHY - Publié dans : COMMUNIQUE - Communauté : DON-TANDROKA
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Retour à l'accueil

 
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus - Articles les plus commentés