FANAMBARANA GTT INTERNATIONAL GENEVE TOAMASINA

Publié le par GTT Genève Toamasina

http://3.bp.blogspot.com/_n_2MMK4gZKw/TMGWIKOzjgI/AAAAAAAAAHw/k8v44K_edRw/S229/Logo_(Baner)_GTTgeDEFINITIF.png

 

http://gtt-international.blogspot.com/2011/08/fanambarana-gtt-international-geneve.html?utm_source=feedburner&utm_medium=email&utm_campaign=Feed%3A+GttInternational+%28GTT+International%29  

 

Izahay mpikambana rehetra ato anatin’ny GTT International Genève Toamasina dia mitaky ny hamoahana ny anaran’ny olona tompon’ny Andramena ( Bois de Rose) miisa 760 tratra tao Tanandava Toamasina ny 23 jolay 2011 lasa teo izay mbola tehirizina ao amin’ny Génie Militaire Barikadimy Toamasina ireo.

Nanambara ny Tetezamita vao tsy ela akory izay fa ho sarotiny amin’ny resaka fanondranana antsokosoko Bois de rose izy, ka inona no antony tsy amoahana ampahibemaso ho fantam-poko ho fantam-pirenena ny anaran’ireo ambadik’io Bois de Rose tratra tao Tanandava ireo. Tsy mahafa-po anay ny filazan’ny tompon’andraikitry ny ala aty Toamasina izay nilaza fa mbola tsy fantatra ny tompon’ireto Andramena tratra ireto.

Natao teto Toamasina androany Zoma 05 aogositra 2011

 

Ny Filohan’ny GTT International Genève Toamasina

Ndiamahazo Imbinizafinirigny Mickaelys

Publié dans COMMUNIQUE

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article