Azo tsaraina tsara ny mpanongam-panjakana

Publié le par rovahiga

Azo tsaraina tsara ny mpanongam-panjakana (+vidéo) 

 

 

Araka ny efa naverimberina dia tsy mamafa  ny heloka vitan’ny mpanao politika nanao gaboraraka velively ny tondro zotra izay natao sonia tamin’ny 17 septambra teo. Tsy mbola miala arak’izany ny maha-mpanongam-panjakana an’I TGV sy ny namany ary azo tsaraina noho izany izy amin’ny fotoana mampety izany. Tsy ilana fitsarana manokana ny fanaovana izany fa ny ady heloka be vava dia efa mahavita azy satrai tsy voafidy izy fa nanandra-tena. Ny fanenjehena tsy ara-drariny ny Filoha RAVALOMANANA no natsahatrin’ny tondro zotra satria ny andininy faha-16 dia milaza mazava fa ajanona  manomboka amin’ny fotoana anoavana ny sonia ny fanenjehana miendrika politika ary isan’ny fametrahana fitoniana terena hataon’ny FATE izany saingy tsy mboloa hajainy hatreto.


Misahotaka ny any an-dapa …
Araka  ny vaovao voaray dia nandefa taratsy tany amin’I TGV mitaky ny fialan’ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny filaminana anaty I Beriziky ary tsy mbola nazahoana valiny izany hatreto. Mitohy hatrany anefa ny famoahana ireo manan-draharaha notanana vonjy maika noho ny fanadihadiana ary manomboka miteraka tsy filaminan-tsaina any anaty fiaraha-monina izany. Etsy andaniny dia hanao fanandramana fitokonana faobe ireo mpisam-panjakana ambony mivondrona anatin’ny “grands commis de l’Etat” noho ny tsy fankatoavan’izy ireo ny tsy fandraisan’andraikitra asehon’ny fanjakana foibe mikasika ny fifanolanan’ny mpitsara sy ny polisy. Nanambara ireto manam-pahaizana ambony ireto fa raha toa tsy ahitam-bokany izany hetsika hataony rahampitso izany dia haveriny amin’ny herinandro ary hitombo hatrany ny halavany.

 

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article