Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

ANTSO VONJY AINA

22 Novembre 2010, 17:38pm

Publié par R. Ranjeva

ANTSO VONJY AINA

 

http://www.tananews.com/wp-content/uploads/2010/09/raymond_ranjeva.jpg

 

 

Mandry an-driran’antsy ny Firenena Malagasy. Mijaly foana ankehitriny ny Vahoaka. Na ny fianakaviana aza dia misara-bazana. Ny loza aza dia ny fisehoan’izany isan’andro ary tsy mampiraika firy intsony. Ny fifandrafiana, ny fifampihantsiana ary fampirangarangarana herisetra mety hiafara amin’ny ra mandriaka no lazaina fa ho ala-olana sisa.

Tsy azontsika heverina sy ekena izany. Mbola tsy lany olo-manga tia tanindrazana sy mahatsapa ny adidiny anefa ny firenentsika.

Amin’izao fotoana izao dia tena ilaina ny fandriampahalemana marina, ny fahatonian-tsaina tanteraka mba hafahantsika mamerina ny fiainana amin’ny laoniny, ny hasin’ny firenena sy ny fandrosoana tsy hahamena-maso eo anivon’izao tontolo izao

Izany dia midika fa adidin’ny rehetra izy ity koa lavina ny an-kilabao. Tsy maintsy miaraka midinika, mamitrana ny rotika, mamaha ny olana ary milofo hamonjy ny firenena ny Malagasy rehetra.

Ny fanamby dia ny “hitondra ny fanafana hitsaboana ny aretina mianjady amin’ny firenena, sy ho fanefitra tsy hiverenan’ny olana saro-bahana eto Madagasikara intsony” ao “anatin’ny Tetezamita sy fitondram-panjakana tsy miandany ary mahefa”.

Koa mitsangàna ry mpiray tanindrazana tsivakivolo. Misikina herim-po. Asehoy ny finiavana sy fahendrena mba hanasitranana marina ny aretina mianjady amin’ny firenena. Andeha hiaraka hamelona ny fifampihavanana, andeha hampanjaka ny fahatonian-tsaina, andeha hiroso amin’ny fanorenana fiaraha-monina vaovao. Vitantsika izany Vonjy Aina ho an’ny firenena izany, raha tafajoro ny Teteza-mita tena izy, matanjaka sy miorina amin’ny fifanajana, ary miandany amin’ny soa ho an’ny besinimaro.

 

Antananarivo, faha 22 novambra 2010

 

 

Profesora RANJEVA Raymond

Commenter cet article

Lula 23/11/2010 06:59



LOLLLL.


PERQUISITION CHEZ RANJAEVA...MBOLA MITOHY FOANA VE NY MISE EN SCENE DEBA A!!!!!!!!!!!!!!!!!!


Andao hanasitrana ny firenena miaraka amin'i Deba? zay no tianao tenenina Profesora????manodiava aminao ny manjo an'i Gl Raoelina sy ny fianakaviany Ngahindriana a!


 



rovahiga 23/11/2010 07:50



Salut,


Les intéressés auront à apprécier vos commentaires. Quant à nous, l'important c'est de sauver la patrie.


Merci de la visite.