Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

A M P A M O A K A

7 Janvier 2011, 13:47pm

Publié par rovahiga

http://www.topmada.com/wp-content/gallery/antananarivo/ihanta-randriamandranto-free-3.jpg

 

Chers tous,

Je vous transmets ci-après des informations de la part de nos militaires. Ces informations sont confirmées et recoupées.
Je vous souhaite une bonne journée,
Cordialement,

ihanta R 

 

A M P A M O A K A

 

Ampamoaka toa izany izao no rivotra mitsoka sy mandalo. Mahatsiaro ho diso fanantenana ny maro ankehitriny izay niara-nitsinkombakomba tamin’ny fitondrana Tetezamita ka tsy tia ho diso eo anatrehan’ny tantara ka dia aleo avoaka ny marina satria ny “heloka hibaboana hono mody rariny” na dia fantatra aza fa tsiambaratelo ny zavatra ambara.

 

Mamoaka izay fantany sy heveriny ho fositra mandetika ny firenena ny Lt Kolonely Charles Andrianasoavina. “Nokaramaina vola izahay” hoy izy, i Rajoelina no mpanakarama ary misy vahiny mpanome vola ao ambadikany. Ary indroa izy no nanongam-panjakana dia ny tao amin’ny EPISCOPAT sy ny teny amin’ny CAPSAT.

Mazava ankehitriny ny tantara fa fanonganam-panjakana no nisy teto ary voatamby vola hatrany ireo mpitandro ny filaminana ka miaro tsy misy fepetra an’i Andry Rajoelina.

                Mahagaga tokoa raha toa ka Directoire Militaire no nomena fahefana dia miaramila no mandrobaka izany ary manery ireto farany hanolotra izany an’i Andry Rajoelina.

                Mazava koa izany izao fa voatamby vola ny HCC nanamafy io fahefana natolotry ireo Jeneraly telo lahy izay fantany tsara fa tsy manana zo handray sy hanolotra io fahefana io raha Directoire Militaire no atao resaka.

                Dia toa izany koa no fomban’Atoa Andry Rajoelina raha nitsipaka ny Satan’i Maputo sy ny Tovana tany Addis Abeba izy.

                Ny HCC izay efa nankatoha io Sata io no nitsipaka tampoka izany tsy amin’ny antony satria voatamby sy nampanantenaina.

                Ny foloalindahy izay natao hiaro ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena dia nanaiky nankatoha sy nanompo an’Atoa Andry Rajoelina ilay tsy mitana sy manaja ny voady izay nifanekeny tao amin’ny “Charte de Valeur”. Ny foloalindahy izay mahafantatra fa ho sazian’izao tontolo izao ny Tanindrazana raha mitsipaka io Sata io ny fitondrana tohanany dia nirotaka ihany satria voatamby sy nampanantenaina.

                Ny setroka tsy tonga ho azy, azo heverina ho misy fahamarinany ihany raha ny fomba fiasan’ny HAT, ny trakta niely faraparan’ny taona teo manambara ireo villa, fiara lafo vidy, trano any ivelany, sns … an’ireo mpitondra ambony ao amin’ny miaramila, ny zandary, ny polisy ary ny fitsarana izay manan-karena tampoka amin’izao Tetezamita izao.

 

                Fitondrana gaboraraka ny amin’izao fotoana izao, manao izay danin’ny kibony i Andry Rajoelina amin’ny fampiasana ny volam-bahoaka izay entiny hanamafisany ny sezany amin’ny fividianana ny fanahin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpitsara ary ireo izay tsy manana hazon-damosina.

 

                Koa manainga mavesatra ireo tsara sitra-po mba hanao hampamoaka izay marina fantany mikasika ny raharaham-pirenena satria amin’ny alalan’ny ampamoaka no hiaingan’ny fifamelana eto amin’ny firenena mba ahatongavana amin’ny fanafoanana ny tsy maty manota eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

 

 

Raha ireo tranga niseho teto amin’ny firenena toy ny raharaha Ambohijanaka, FIGN, BANI Ivato dia mazava ny zava-misy ao amin’ny foloalindahy, mizara ny fomba fijerin’ny miaramila eo anatrehan’ny raharaham-pirenena.

               

Dia misy ireo nandrombaka ny fahefana teo amin’ny Directoire Militaire izay mitondra ny anarana mpiokon’ny CAPSAT tamin’ny fotoan’andro, izy ireo ankehitriny no mahazo ny fahefana sy tompon’andraikitra eo amin’ireo fitantanana misy na ny ao amin’ny tafika na ny ao amin’ny zandary izay miaro tsy misy fepetra izao fitondrana izao.

               

Misy koa ireo izay mihevitra fa tokony hijoro ny foloalindahy. Tokony hitambatra, hiray hina ka hifamela ireo izay nifanandrina noho ny resaka politika dia hifanome tanana ka andray izay andraikitra takin’ny firenena sy ny vahoaka aminy eo anatrehan’izao krizy politika lalovan’ny firenena izao.

 

                Ny tsy fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena sy ny fanambaran’izy ireo fa voasazy ireo lohandohan’ny mpisorona mandidy sy manapaka eto Antanindrazana dia midika fa tsy misy mpiaro ny fiandrianam-pirenena, etsy ankilany ny fizirizirian’Andriamatoa Rajoelina hitondra irery ny Tetezamita ka mampiasa ny mpitandro ny filaminana ho herim-pamoretana izay ampian’ity fitsarana mitanila, dia azo ambara fa fitondrana jadona no miantra eto Madagasikara ary tandindonindoza ny firaisam-pirenena.

 

                Be ireo fehin-kevitra tapak’ireo mpanao politika na teto an-toerana na tany ivelany mba hivoahana amin’izao krizy izao nefa tsy nampiarina fa zary lasa ho fandaniambola sy fotoana very, ary azo heverina ho tetika hijanonana ela eo amin’ny fitondrana ihany ireny rehetra ireny.

 

                Raha izany ary no zava-misy, dia raisina voninahitra sy adidy no manolotra ity soson-kevitra ity mba tsy hiverenan’ny krizy toa izao intsony eto amintsika.

-          Tokony hatsangana malaky ny fahefana mampanatanteraka (exécutoire) sy mpanara-maso izay fehinkevitra tapaky ny mpanao politika hivoahana amin’ny krizy, ka ny foloalindahy sy ny fitsarana no omena io andraikitra io.

 

Ho fanatanterahana izany :

 

a)       Ara-miaramila :

-          Ilaina ny fanaovana ny fifamelana sy ny fifampihavanana amin’ny samy miaramila «Réconciliation Militaire» ka amin’ny alalan’ny fihaonambe no hamerenana indray ny firaisankina izay zary voazarazaran’ny resaka politika.

-          Alohan’io fihaonambe io dia takiana ny hivoahan’ireo miaramila voatana amponja noho ny antony politika.

-          Io fihaonambe io no hamaritra ireo paik’ady hisian’ny :

ÛFandriampahalemana

ÛFitondrana tsara tantana

ÛFitondrana manaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona

Û Fifidianana mangarahara

-          Io fihaonambe io koa no hanangana sy hanendry ireo izay apetraka ao amin’ny komity miaramila ho fanavotam-pirenena.

 

b)       Ara-pitsarana :

-          Ilaina ny hisian’ny fihaonamben’ny mpitsara eto Madagasikara ka izy ireo no handinika ary hamitra ny :

                  Û Fahaleovantenan’ny fitsarana

                  Û Fananganana ny HCC sy HCJ

                  Û Hijery sy hametraka ireo lalàna hisian’ny :

¤ Fifidianana mangarahara

                       ¤ Fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona

                       ¤ Fitondrana tsara tantana

 

c)        Ara-politika :

-          Ilaina ny hisian’ny fihaonamben’ny mpanao politika tsy ankanavaka ka ireo izay any ivelany dia antsoina ho tonga eto an-toerana. Ny foloalindahy no hiantoka ny filaminanana ho azy ireo.

-          Io fihaonambe io no hananganana sy hanapahan’izy ireo ny fehin-kevitra mirakitra ireo rafitra hitondrany ny Tetezamita.

 

Ny foloalindahy miray hina sy ny fitsarana manana ny fahaleovantenany no fahefana hampanatanteraka sy hanara-maso izay hevitra tapaka amin’ilay fivoriamben’ny mpanao politika hivoahana amin’izao krizy izao.

 

                Vaha olana eo amin’ny samy Malagasy ity atolotra ity ka ny fihavanana no andrianina sy manosika ny tsirairay ho tombotsoan’ny taranaka fara-mandimby.

 

                                                                                                                             “IREO MAHERY FO”

 

Araka ny loharanom-baovao marim-pototra azo dia tonga tao amin’ny mpitsara zoky olona ny Komanda Roger Luc. Ity farany moa izay nambaran’ireo olona tao amin’ny Komity Miaramila ho Fanavotam-Pirenena tamin’ny fanadiadiana izay voarakitra an-tsoratra natao tamin’izy ireo dia nanambara fa miandraikitra ny fandraisana ny any ivelany izy no niantoka ny sécurité an’ireo mpivory isan’ny tompo-kevitra amin’ny fampihavanana ny miaramila koa izy.

               

                Ny raharaha tany amin’ny BANI Ivato moa no niantsoana azy nefa fantatra koa fa efa andrasana izy  tamin’ny raharaha FIGN ary voalaza fa efa niandry azy ny Procureur  de la République.

                Tsy nande irery anefa ny Komanda Roger Luc fa nitondra azy tamin’io fotoana io ny Kolonely Sedera lehiben’ny Para eny Ivato izay lehibeny rahateo, araka ny tatitra rehefa nihaona tao izy telo mirahalahy mianaka dia nanambara tamin’Atoa Doyen ny lehiben’ny Para fa «Raha ny Komanda Roger Luc no andraisana fepetra amin’ity raharaha BANI ity dia tsy ho voatana fa hitraotra ireo miaramila parachutiste eny Ivato».

 

                Teo moa dia toa hoe niantso ny Procureur de la République ny «Doyen des Juges» ary nande nanao tatitra tamin’ny Rtoa Ministra izy mirahalahy mikasika ny teny izay nambaran’ny Kolonely Sedera.

                Raha nandre izany Rtoa Ministra dia niantso ny PM ka nanambara ity farany fa leo tabataba sy korontana izy ka alefaso mody ny Komanda Roger Luc.

 

                Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe misy ve sa resaka fotsiny ny «Fahaleovantenan’ny Fitsarana» ary mazava izany izao ny resaka fa ny baikon’ny fitondrana Tetezamita no tanterahin’ny Fitsarana fa tsy ny marina no tadiavin’izy ireo. Ary toa manao raoka ombin’ilay boka ny Fitsarana, ireo izay manara-dalàna ihany no enjehina toa manao tsindrio fa lavo. Araka ny resaka heno koa aza moa dia misy mihitsy ny milaza fa matahotra ny Komanda Roger Luc sy ny Para eny Ivato ny fitondrana Tetezamita.

 

                Tsy tokony hisy tombo sy ala ny raharaham-pirenena, ny marina tokony karohan’ny Fitsarana. Maro ireo nandray anjara tamin’ny raharaha BANI iny ary efa any amin’ny mpanao famotorana ny anaran’izy reny araka ny heno moa dia toa hoe baiko avy any ambony no sakana tsy anaovana fanadiadiana azy ireny.

Commenter cet article

dodo 27/01/2011 13:12


Ny tsara indrindra dia ny mametraka ny fiainan'ny firenentsika Malgasy Hoy ny Tompo: aha ny oloko nantsoina tamin'ny anarako no avy hanetry tena , ka zy hivavaka, sy hitady ny tavako ary hiala
amin'ny ratsy fanaony di ahansitrana ny taniny aho


rovahiga 27/01/2011 15:32



Tompoko


Mino tanteraka izany teny izany izahay. Ny Tompo rahateo no manatanteraka ny amin-tsika. Rehefa mandinika ny fiainana an-tany anefa, dia tsarohana koa ny hoe: "Ampio ny tenanao dia hanampy anao
Andriamanitra. Tsy ilaozan'izay hery mifanohitra ny fiainan'olom-belona ka tsy mitsahatra ny mitady vaha olana ireo nomena fahefana ho amin'izany. Aleonay anefa ny sitrapon'ny Tompo no tanteraka.
Koa izay no iantsoana ny rehetra hivavaka lalandava ho an'ny firenena.


Misaotra indrindra noho ireo teny soa nozarainao.