Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

07 FEBROARY 2009

7 Février 2011, 09:22am

Publié par rovahiga

http://mydago.com/wp-content/uploads/2011/02/DGAFF_0003.jpg

 

Komanda Lylson de Roland sy ny ekipany no nitifitra ny vahoaka tamin’ny 07

febroary 2009 ?

 

Ankatoky ny fankalazana ny faha roa taona ny nanaovana sorona ny vahoaka nanani-dapa ny 07 Febroary 2009, dia inty misy fijoroana vavolom-belona nataon’i Lietnant Colonel Rabe Jules izay mitantara fa ny Komanda Lylson René de Roland mpitarika ny FIS dia teny Antaninarenina, teo ambonin’ny tranobe « ex PSM », Trésor, Minisitère des Finances, ary teo ambonin’ny Hotel de Louvre nitifitra ireo vahoaka taty aoriana. io datin’ny 07 Febroary io niaraka tamin’ny zandary mirongo fiadiana tsy anisan’ireo ekipan’ny EMMONAT.Ampamoaka lehibe hiteraka ady hevitra manoloana ny fanonganam-panjakana indray ity tranga ity.

 

Tafatsangana ny Komity mamolavola Lalampanorenana roa samihafa

Nanangana Komity Manokana mamolavola ny vinavina Lalampanorenanana roa mba

hahazoan’ny Malagasy maneho ny heviny ahitana ny lalampanorenenana « Etat

Unitaire » sy Lalampanoreana « Etat Federaire » ny ankolafy Zafy Albert.Fantatra io

tamin’ny fihaonana fohy nataon’izy ireo tao amin’ny trano fonenan’ny Filoha Zafy Albert

tetsy Ivandry niaraka amin’ny mpanao gazety, notarihan’i Dr Emmanuel Rakotovahiny.

Iaraha-mahalala hoy izy fa tsy mankato ny Referandaoma nataon’ny FAT teo ny

fianakaviam-be iraisam-pirenena, » izahay koa dia mahita fa tsy safidin’ny vahoaka

Malagasy rehetra iny fa mbola hevitry ny ankolafy Rajoelina samirery », koa noho izany

hoy ity Praiminisitra teo aloha ity dia aleo omena safidy malalaka ny vahoaka Malagasy

amin’ny alalan’ny famolavolana ny Lalampanorenana roa.Rehefa vita io volavolandalampanorenana

io dia atolotra ny ankolafy sy hery politika rehetra hodinihina amin’ny

fihaonam-bempirenena vaovao tena izy ary hofidian’ny vahoaka Malagasy indray avy eo.

Notsindriany ihany koa fa mbola « governement insurrectionnelle » no misy eto, tsy

mbola misy fitondrana Tetezamita eto hoy ihany ity tanan-kavanan’ny Pr Zafy ity.

Soso-kevitra hivoahana amin’ny krizy izao atolotra sy efa miasa izao hoy izy ireo ka efa

miparitaka eran’ny faritra maro manerana ny Nosy.

 

Source: Documents MyDago.com

Commenter cet article